hariva teto Antananarivo sy ny manodidina, ary ny fahatapahana voalohany nanomboka tamin’ny 6ora mahery teo aza dia naharitra adin’ny iray latsaka teo. « Misy fahatapahana matetitetika ny famatsiana herinaratra eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo noho ny filatsahana tampok'ireo zotra mitondra herinaratra mahery vaika 138KV avy any Andekaleka sy 63KV avy any Mandraka, vokatry ny andro ratsy eo anelanelan'Ambatolaona sy Manjakandriana », hoy ny Jirama. Nambara fa rehefa tonitony ny toetr'andro dia miverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra. Zary efa tsy vaovao intsony moa ny fanazavana tahaka itony satria na fahavaratra na lohantaona na ririnina, dia misy foana ny delestazy, ary mahita holazaina foana ny Jirama. Fandre foana ny hoe : tsy ampy ny tosiky ny rano, be loatra ny tosiky ny rano, tara ny famatsiana solika,…
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa