Efa misasaka ny telo volana voalohany, saingy matetika ny Ray aman-dReny dia tsy dia rototra loatra fa rehefa misakafo dia izay. Matetika any amin’ny faramparan’ny fotoam-pianarana na amin’ny andron’ny fanadinana mihintsy vao omena sakafo betsaka ilay ankizy hiatrika fanadinana. “Eny. isan’ny betsaka mpanome ny zaza amin’izany ny trondro sy ny “chocolat”. Tena ilain’ny mpianatra amin’ny fitadidinina ireo sakafo be vy sy “fer” ary anisan’izany tokoa ny chocolat na ireo sakafo misy singa chocolat”, hoy i Dr Vero Rafenomanjato. “Efa hatramin’ny fahakeliny no tia chocolat I Joela, ary hita manampy azy betsaka amin’ny fianarany izany. Na mbola tsy nianatra aza izy dia efa hita fa manana fitadidina amin’ny fihainona (mémoire auditive). Nampiavaka azy amin’ny ankizy maro ny fahaizany miteny ny teny frantsay na dia tsy manaraka ny fitsipika loatra aza noho izy mpijery sary miaina (dessin animé) ary niainga tamin’ireny no nahaizany miteny frantsay na tsy teny fampiasanay an-davanandro ato an-trano aza izany, hoy kosa Rtoa Kanto RAndrianarivelo, renim-pianakaviana sady mpampianatra. Efa fahazaranay hatramin’izay, hoy izy, ny manome chocolat ny zanakay araka ny vokatra sy endrika misy. “Misy ireo “tablette chocolat” efa mahazatra fa anisan’ny nahasarika anay tato ho ato ny vovoka chocolat ary anisan’izany ny Robin”, hoy hatrany ny fanamarihany. Tsotra satra satria ampiana rano dia azo sotroina avy hatrany ny Robin fa ho ahy rehefa sakafo maraina dia tiako kokoa, hoy izy, ny mampiasa ronono; azo sotroina na atao sakafo maraina sotroina mafana na sotroina eny anelanelam-potoana. Ankoatra ny mpianatra amin’ny resaka fitadidiana dia tsara ihany koa mihinana Chocolat ny vehivavy mitondra vohoka sy mampinono, ary toy izany koa ireo olona tsy ampy rà aorian’ny “analyse” atao, hoy ny fanamarihana. Na izany aza dia tokony mitandrina ihany ireo ankizy tsy mahazaka cacao., hoy indray Dr Vero Rafenomanjato. Tsy dia misy loatra ny fatra (quantité) tsy maintsy ohanina fa toy ny zavatra rehetra rehefa diso tafaotra dia ratsy, hoy ihany izy.
Nangonin’I Toky R
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto