airtel

Actualités

30-mai-2023

Actualités

Fahatapahan’ny herinaratra Lasibatra hatramin’ireo mpanjifan’ny banky

Sample post image

Tsy mifidy ho asiana ity fahatapahan’ny herinaratra lavareny ity. Na ny miasa ao an-tokantrano na any amin’ireo

30-mai-2023

toeram-piasana isan-karazany na any amin’ireo toeram-pikojakojana endrika amam-bika sy mpanao taovolo, eny, hatrany amin’ireo toerana fakana vola, izany hoe banky, dia samy lasibatr’izany avokoa. Araka ny nambaran’ny mpanjifan’ny banky iray eto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo dia tsy vitan’ny efa nampijaly azy ny filaharana teny amin’ireo masinina mpizara vola na «distributeur automatique» fa mbola nihitsoka niaraka tao koa ny vola efa voaisan’ilay masinina sy ny karatra fakana izany. Ilay karatra ihany anefa no hany azo alaina rehefa miverina ilay herinaratra fa ny vola kosa mijanona mihitsoka ao na dia efa niala tsy tao anatin’ny kaontin’ilay karatra intsony aza. Nilaza ho nanao fitarainana sy nangataka ny hamerenana amin’ny laoniny ilay kaonty tamin’ilay banky moa ity mpanjifa lasibatra ity saingy mbola tsy nivaly ny fangatahany hatramin’ny fotoana nitantarany izao zava-nanjo azy izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap