vokatry ny tsy fahatomombanana na fahatapahan’ny herinaratra matetika izay lazaina fa noho ny olana tekinika fa tsy delestazy intsony ity. Ho an’ireo solosaina tsy mitana vatoaratra na «batterie» moa izany dia mampamangy hatrany isaky ny misy an’izay tsy fahatomombanana izay. Lasibatra koa no dikan’izay ireo manao asa any an-trano na «télétravail» izay tena nampirisihin’ny fitondram-panjakana mihitsy nandritr’ireny fihibohana nanomboka ny taona 2020 ireny. Ny sata mifehy ny asa ity efa lazain’ireo sendika fa loza mihatra amin’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara, indrindra, ho an’ireo sehatra tsy miasa. Ny fihariana hafa miankina betsaka amin’ny famatsian’ny orinasa JIRAMA koa anefa miha potika. Velon-taraina ireo manao «télétravail» fa mikaikaika etsy an-kilan’izay koa ireo manao asa tena toy ny mpanety sy ny mpanao taovolo na mivarotra enta-madinika toy ireo mila mampiasa vata fampangatsiahana. Ny vahaolana mari-pototra sy tena maharitra aroson’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisitera tomponandraikitra sy ireo sehatra hafa voakasika nefa ity andrasana hatramin’izao fa tsy hita popoaka.
J. Mirija
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa