ho Minisitry ny fanajariana ny tany. Mandrak’ity ny androany, mbola tsy voatendry ny Filohan’ny delegasionina manokana na ny PDS. Inona no olana sa tsy mahita olona hapetraka eo ny fitondrana ? Andrasana indray ny filankevitry ny minisitra manaraka raha hotendrena amin’izay na tsia ? Antananarivo izay ankoatra ny maha renivohitry ny firenena azy dia stratejika be amin’ny politika ka mety eo no mbola mampanano sarotra ny fanendrena. Nisy ben’ny tanàna aza niaraha-nahita ny zava-misy fa tsy nitsaha-nihemotra sy nihapotika Antananarivo mainka fa ao anatin’izao fahabangan-toerana izao ? Ny tanàna mikorontan-dava, ny fako am-bolana maro tsy mety voavaha fa misavovona hatrany, ny làlana tapitra potika,… Ny resaka maha olona eo anivon’ny fiadidian’ny tanàna moa dia tsy arakaraka ny namoronana fitakiam-bola samihafa amin’ny vahoaka ary nandeha hatramin’ny fitroasa volabe toy ny 11 miliara Ar tamin’ny CNaPS,… fa tara lava ny karaman’ny mpiasa, ankoatra ireo marobe noroahana. Ahilika any amin’ny vahoaka ny tsy fandraofana fako hoe : kely ny vola miditra amin’ny haba alaina amin’ny fako isan-tokantrano. Manana adidy handoa hetra tokoa ny Malagasy, izay tena mbola ambany amin’izao, kanefa fositra amin’io ny Fanjakana noho ny tsy fisian’ny tamberin’andraikitra avy amin’ireny noho ny tsy fisiana fitantanana mangarahara, tsy fikojakojana ny fotodrafitrasa toy ny làlana,… Tsy arakaraka ilay nambara talohan’ny fifidianana ben’ny tanàna farany, fa aleo mifidy olona iray loko politika amin’ny Fanjakana foibe. Atao mahagaga ve raha nosokajian’ny gazety forbes ho renivohitra voretra indrindra aty Afrika sy fahatelo maneran-tany Antananarivo ? Atao mahagaga ve ny fanasokajiana momba ny kalitaon’ny fiainana an-tanàn-dehibe izay mametraka antsika any amin’ny rambony satria faha-220 amin’ny 241 ny renivohitr’i Madagasikara ? Sa kosa atao fahirano mihitsy Antananarivo satria tsy dia mpanome vato ho an’ny volomboasary rehefa fifidianana ?
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa