airtel

Actualités

24-juil-2023

Actualités

Fakana « casier judiciaire » 2.000 Ar no sarany fa tsy volabe izany, hoy ny fitsarana

Sample post image

Misy mitaky volabe mihoampampana amin’ny fakana casier judiciaire na bulletin n°3 ao amin'ny fitsarana

24-juil-2023

ambaratonga voalohany ao Miarinarivo amin’izao, raha araka ny vaovao azo. Tafakatra hatramin’ny 50.000 Ar izany ho an’ny sasany. Nampahafantatra ny besinimaro ny fitsarana any an-toerana noho izany fa 2 000 Ar ihany no saran'ny fakana izany. Nohazavain’izy ireo ihany koa fa raha aterina maraina ny fangatahana dia alaina ny tolakandro ny casier izany hoe : tsy milona be toy ny teo aloha intsony. Ny kopia sy ny karapanondron'ny mpangataka no ilaina amin’izany hoy hatrany ny vaovao fa raha maniraka olon-kafa kosa ilay tompony dia tsy maintsy ny raiamandreny na iraitampo amin'ny mpangataka no maka izany miampy ny karapanondron'ilay iraka. Nampahafantatra ihany koa moa ny fitsarana fa raha mbola mitohy io fanararaotana hataon’ny sasany io dia tsy tokony hisalasala hanatona ny tompon’andraikitra ireo lasibatr’izany milaza ny zavamisy mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra haingana.
(Sary fanehoana)
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap