Lasa toerana fanaparitahan'ireo olon-dratsy ny vola sandoka ny any amin’ny famadihan-drazana, tsena ary toeram-pivarotana enta-madinika amin’izao any amin’iny Faritra Vakinankaratra iny. Vehivavy iray no tratra ny 15 jolay lasa teo tao Sahanivotry. Tratra ihany koa ny anadahiny iray taorian’izany. Raha araka ny fantatra dia mody mividy zavatra izy ireo. Vola sandoka 120.000 Ar no tratra teny aminy saika hohampiasainy. Karamaina 30.000 Ar hono izy ireo raha voatakalony ireo vola ireo.Ny fokonolona tao amin’ny fokontany sy Kaominina Ambatomena ihany no nahasambotra an'ity vehivavy ity ka ireo zandary ao Tsarahonenana Sahanivotry no nikaroka ny fomba nahazoana ireo namany. Tovolahy hafa iray indray no tratra ihany koa tamin’ny 18 Jolay teo. Vao maraina dia efa nisavoritahan'ny olona tao Andriambilany ity tovolahy ity ary saika matin’ny fitsaram-bahoaka. Vola sandoka mitentina 80.000 Ar no tratra tany aminy. Tratra nampiasa vola sandoka tao an-tampon-tanàna moa ilay ranamana ity ka tezitra ny vahoaka.
Matetika milaza ireo izay tratra fa noho ny fahasahiranana sy ny tsy fananan’asa no mahatonga azy ireo roboka miasa manaparitaka vola sandoka. Mahafantatra tsara anefa izy ireo fa faran’ny henjana ny sazy miandry ny mpanao vola sandoka dia ny asa an-terivozona mandrapahafaty.Misoratra mazava amin’ireo vola taratasy rehetra eto Madagasikara izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto ireo mpanao vola sandoka tratra niaraka tamin’ny lehibeny
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa