airtel

Actualités

24-juil-2023

Actualités

Famaniana ankalamanjana Fito lahy no voasambotra teny Talatamaty

Sample post image

Mbola betsaka ireo olona tsy mety tonga saina amin’ny fanaovana maloto an-kalamanjana eto amintsika.

24-juil-2023

Na dia efa mazava aza mantsy ireny peta-drindrindra sy soratra vaventy milaza fa tsy azo hanaovana maloto irenyny toerana lalovana dia mbola manao fanahy iniana mitifitra ankalamanjana ihany ny sasany. Ireo lehilahy no tena voakasik’izany ka niroso tamin’ny fisamborana ny zandary avy ao amin’ny vondrontobim-paritra Ambohidratrimo. Olona miisa 7 no indray sarona teny Talatamaty ny faran’ny herinandro teo ka nosamborina. Nanarina izy ireo no saika nasaina nifona tamin’ny alalan’ny taratasy kely nanakona ny masony. Ny fahasalamana no voalohan-karena hoy ireo mpitandro ny filaminana ka rehefa tsy laitran’ny balan’ny fanararana ny sasany dia ny tahaka izao no sahaza azy. Tsiahivina moa fa tsy eny Talatamaty irery no ahitana lehilahy sy vehivavy manao maloto ankalamanjana ohatra an’izany fa manerana ny faritra maro mihitsy ka tokony handraisana fepetra tahaka izao ihany koa.

Pati
Legende : Santionany tamin’izy fitolahy tratra namany ankalamanjana

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap