airtel

Actualités

15-févr-2023

Actualités

Famatsiam-bola ara-tontolo iainana Miandrandra mafy an’ilay “fonds vert” tsisy setriny

Sample post image

Tontosa omaly ny atrikasa nanaovana tatitra ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara tamin’ny COP27 na ny fihaonana an-tampony iraisam-pirenena momba ny fiovaovan’ny toetr’andro natao tany egypta.

15-févr-2023

Firenena miisa 195 maneran-tany no nandray anjara tamin’io andiany faha-27 tany Sharm El Sheikh – Egypte ny 6 ka hatramin’ny 18 novambra 2022 io, ka anisany I Madagasikara ka izay ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina no nitarika ny delegasionina. Araka ny tatitra nataon’ireo mpandray anjara rehetra tamin'ny COP27 izay notarihan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona sy Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa, niray feo ny Firenena afrikana ny hanafaiganana ny famoahana ny famatsiam-bola hiadiana sy hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ka isan’ireo firenena tsara toerana hisitraka izany i Madagasikara vokatry ny lahateny niavaka sy ny adisisika nataon'ny Filohan'ny Repoblika sy ireo delegasiona tonga tany an-toerana ary noho ny efa fananatsika ny PNA (Plan National d’Adaptation) sy ny CDN2 na Contribution Déterminée Nationale. Tafiditra ao anatin’izany ny adisisika mahakasika ny “pertes et dommages” izay nampiavaka manokana ity COP27 ity. Nambaran-dRamatoa Minisitra fa eo an-dalam-pikarakarana ireo antontan-taratasy hafahantsika misitraka ny famatsiam-bola avy amin’ny “Fonds vert pour le climat”…. Efa maro ny tetikasa iadiana nahazo famatsiam-bola avy amin’ny FVC, ny FEM, ny “Fonds d’adaptation” hafahantsika miatrika sy miady amin’ny fiovan’ny toetrandro, hoy hatrany ireo mpitondra. Nambara fa nandroso sosokevitra ihany koa ny Firaisamonim-pirenena hanatsarana ny fandraisan-anjaran’i Madagasikara amin’ny COP28 ary naneho hatrany ny fahavononany ny rehetra hiady ny tombotsoan’i Madagasikara manoloana ireo firenena maro. Hatreto aloha, tsy sasatry ny mangataka ny Mpitondra saingy tsy hita izay vokany, ary tsy mahaleo ny sarany aza ny vidiny raha tarafina amin’ny dia maro be izay natao. Tsy vao sambany ny Filoha no nangataka ny “fonds vert” fa toa hatrany amin’ny COP 26 io no nangatahana saingy mbola poakaty ny vokatra hatreto ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap
21-mai-2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

Card image cap
21-mai-2025

Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,

Card image cap
21-mai-2025

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

Card image cap
20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap