airtel

Actualités

20-mai-2026

Famatsian-drano eto an-drenivohitra

Mihatsara saingy tsy mbola mivaha 100%

Sample post image

Misy fihatsaràny ny famatsian-drano

20-mai-2026

amin'ny toerana maromaro eto an-drenivohitra, taorian'ny fitomboan'ny vokatra 20 000m3 isan'andro, avy amin'ilay toeram-panadiovana rano vaovao ao Mandroseza, izay notokanana ny Zoma lasa teo. Toerana maro, isan'ireo tena nisedra olana tamin'ny fisitrahana rano teo aloha no efa misitraka izany amin'izao fotoana izao. Tsy vitsy ireo manao ranty mijoro vavolombelona fa niverina misitraka rano indray rehefa tsy niaina izany aman-taonany. Mbola tsy mivaha 100% ny olana nohon'ny fahanteran'ireo fantsona sy fotodrafitr'asa mpitsinjara rano ary ny mbola tsy fahafenoin'ny vokatra tsinjaraina, raha oharina amin'ny filàn'ny mpanjifa. Manohy hatrany ny ezaka amin'ny fanatsarana ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina, izay niarahan'ny orinasa Jirama sy ny fitondram-panjakana malagasy tamin'ny Banky Iraisam-pirenena amin'ny alalan'ny tetik'asa fanatsarana ny fampisitrahana rano fisotro madio na PAAEP.
Nangonin'i Jean D.
Mbol olana ny fahanteran'ireo fantsona sy fotodrafitr'asa mpitsinjara rano
 

Dans la même rubrique

20-mai-2026

Fanjakana, nanolotra 150 tapitrisa Ar »

Card image cap
20-mai-2026

Mitaraina ho nataon'ny mpanao politika fitadiavan-tseza fotsiny

Card image cap
20-mai-2026

fitrandrahana harena an-kibon’ny tany

Card image cap
19-mai-2026

afaka mitory rehefa tapitra ny fivorianay ! »

Card image cap