airtel

Actualités

07-févr-2023

Actualités

Famatsiana herinaratra Mikaon-doha any Kigali i Madagasikara sy Rwanda

Sample post image

Notontosaina nanomboka omaly alatsinainy 6 febroary 2023 tao Kigali renivohitry Rwanda ny fihaonana sy dinika fiaraha-miasan’ny samy tatsimo (Madagasikara-Rwanda ) eo amin'ny sehatry ny angovo.

07-févr-2023

Nahitàna ny solotenan'ny JIRAMA izay tarihin’ny filohan’ny filankevi-pitantanana, solotenan'ny Banky iraisam-pirenena ary ny eo anivon'ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo. Ny tanjon'izao fihaonana izao dia ny hampiakarana ny tahan'ny fisitrahana herinaratra (Augmentation des taux d'accès à l'électricité) eto Madagasikara.Izy ity izay marihina fa anisan’ny tena mbola ambany aty Afrika satria manodidina ny 15% ny taha, raha ho an’i Madagasikara ary mbola ireo azo antsoina hoe tanan-dehibe ihany aza no ivangongoan’ireo.Efa misy ihany ny ezaka atao amin’ny famatsiana herinaratra ny tontolo ambanivohitra saingy mbola tena lavitra ny lalana ary mila vola sy fitaovana ary indrindra fa mpiara-miiombon’antoka matanjaka izany. Manodidina ny 5% ny tahan’ny fahazoana herinaratra eny amin’ny tontolo ambanivohitra ho an’i Madagasikara. Anisan’ireo firenena nahita ary nampihatra paikady matotra amin’ity resaka famatsiana herinaratra ity i Rwanda ka anton’ny fihaonana sy ny fifanakalozana fahaizamanao izany.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap