Na eo aza ny fitomboan’ny fifandirana any Moyen-Orient taorian’ny fifanafihana ara-miaramila ny 28 febroary sy ny valifaty voarakitra tany amin’ny firenena maro ao amin’ny faritra, dia milaza ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures) fa mbola mandeha ara-dalàna sy tsy misy olana ny famatsiana solika eto Madagasikara. Araka ny fanazavan’ny OMH, manana tahiry ampy i Madagasikara amin’izao fotoana izao amin’ireo vokatra solika lehibe toy ny lasantsy, gazoala, solika fandrehitra. Ahafahana manarona ny filàn’ny firenena mandritra ny herinandro maromaro manaraka ny tahiry. Mitohy tsy misy sakana ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ny famatsiana. Ny iray amin’ireo toerana lehibe iantsoana solika ho an’i Madagasikara dia ny seranan-tsambo Sohar, any avaratr’i Oman, eo amin’ny fivoahan’ny détroit d’Ormuz. Avy eo, ny sambo mitondra solika dia mandalo amin’ny Golfe d’Oman, Mer d’Arabie, Océan Indien, Toamasina. Tombanana ho eo anelanelan’ny 3 200 ka hatramin’ny 3 500 milles nautiques ny halaviran’ny dia, izay mety haharitra 8 ka hatramin’ny 12 andro arakaraka ny hafainganam-pandehan’ny sambo. Hatramin’izao, tsy misy olana ara-lojistika manakana ny lalana ara-dranomasina ampiasaina amin’ny famatsiana an’i Madagasikara. Mitohy ara-dalàna ny fivezivezen’ny varotra sy ny fitaterana. Manentana ny vahoaka ny OMH mba tsy ho voafandrika amin’ny tsaho na hanao fividianana tafahoatra, satria voaomana sy voafehy tsara ny famatsiana eny an-tsena. Manamafy ihany koa ny OMH fa mijery akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha iraisam-pirenena izy ary miara-miasa tsy tapaka amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny sehatra solika, ho fiantohana ny fitohizan’ny famatsiana sy ny fiarovana ara-angovo eto amin’ny firenena. Naneho tamim-pahatoniana moa ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael omaly mikasika ny mety ho ambana amin’ny solika hoe : « Efa mivory mikasika an’izay, efa manana ny eritreritro aho, ny Praiminisitra efa hamory ny azy androany hariva, hijerena ny fiatrehana mialoha na « anticipation » amin’ny resaka solika.
Toky R
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona