airtel

Actualités

09-févr-2024

Fambara ratsy ho an’ny mpitondra

Mihantona ny fiaraha-miasantsika anatin’ny OEACP-UE

Sample post image

Miantona aloha ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Banky Eoropeanina

09-févr-2024

momba ny fampandrosoana mandra-pahavitan’ny fanasoniavan’i Madagasikara ny fifanarahana vaovao eo amin’ny UE (Vondrona Eoropeanina) sy ny OEACP (Vondron'ny Firenena Afrikana, Karaiba ary Pasifika). Voalaza mantsy fa tsy afaka nandray anjara tamin’ny resaka fiaraha-miasa ao anatin'ny OEACP-UE isika, nanomboka ny 31 Desambra 2023 noho ny mbola fisian’ny filoham-pirenena voafidy. Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny alarobia teo noho izany ny hirosoana amin'ny fanasoniavana ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao eo amin'ny Vondrona Eoropeanina sy ny OEACP, izay antsoina hoe « Accord de Samoa ». Notsiahivina fa tamin'ny Filan- kevitry ny Minisitry ny mpikambana ao amin'ny OEACP tamin'ny 18 Jolay 2023 tany Bruxelles Belgique no tapaka ny hanaovana an'io sonia io ho an'ireo firenena mpikambana rehetra. I Madagasikara anefa mbola tsy afaka nanao sonia noho ny vanim-potoanan'ny fifidianana izay tsy nisiana Filoham-pirenena voafidy fa Governemanta nitantan-draharaham-panjakana andavanandro no nanao ny asa ka tsy afaka nanao sonia mamatotra ny firenena mihitsy, araka ny voalazan'ny lalampanorenana, hoy ny fanazavana. Ny datin'ny 18 janoary 2024, dia efa firenena 27 ao anatin'ny Vondrona Eoropeana, 65 amin'ireo 79 mpikambana amin'ny OEACP ka 42 amin'ireo no firenena afrikana, no efa nanasonia, hoy hatrany ny tatitra. Noho ny tsy mbola nahavitan ny sonia ho an'i Madagasikara dia tsy afaka mandray anjara amin'ny resaka fiaraha-miasa ao anatin'ny OEACP-UE isika, nanomboka ny 31 desambra 2023. Miato ihany koa mandram-pahavitan'ny sonia ny fiaraha-miasa vaovao amin'ny Banky Eoropeanina amin'ny Fampiasam-bola (BEI). Misokatra hatramin'ny 24 mey 2024 ny fahafahana manao sonia ka hiroso amin'izany avy hatrany isika aorian'ity fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ity.
RATSY TOERANA
Na izany, ratsy toerana ny Fitondrana Malagasy eo amin’ny lafiny diplaomasia sy fiaraha-miasa iraisam-pirenena hatreto. Nanaratsy endrika ny Firenena sy ny mpitondra ny fifidianana farany teo, ary nialohan’ny nirosoana tamin’izany aza dia betsaka ireo fanairana toy ny fialazan’ny Vondrona Eoropeanina nivantana fa mifanohitra amin’ny fifanarahana Fifarahan’ny Firenena Mikambana momba ny zo sivily sy politika ny fangejana ara-politika nanakana ny fahafaha-mamory olona ara-politika volana maro nialohan’ny fifidianana ; ny tsy nanatanterahana ireo fanintsiana ara-pifidianana niainga tamin’ny fanaraha-maso ny fifidianana 2018. Betsaka ihany koa ny tsikera momba ny fanohintohinana ny demokrasia sy ny zon’olombelona tamin’ny fanenjehana sy herisetra tamin’ireo olona nanao hetsika politika am-pilaminana nialohan’ny fifidianana, izay nanaovan’i Josep Borell Diplaomaty Eoropeanina fanambarana mihitsy. Tahaka izany ihany koa ny karazana fandrisihana ny Fanjakana ankehitriny haneho ny fametrahana fitoniana ara-politika, izay tsy dia hita taratra. Mason-tsivana jeren’ny Eoropeanina foana ny resaka demokrasia, fanajana ny zo fototra sy zon’olombelona, ny ady amin’ny kolikoly,… Teo ny eo hoe : noho ny mbola tsy fisian’ny mpitondra voafidy, fa amin’ny lafiny iray, dia azo heverina ho fambara ratsy ho an’ny fitondrana ankehitriny ireny rehetra ireny, na mandeha aza ny firesaka diplaomatika samihafa.
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap