airtel

Actualités

27-févr-2025

Fambolen-kazon’ny TIM eny

Imerikasinina Havela malalaka sa ho avy indray ny sotasota ?

Sample post image

Nanamafy ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny Rina Randriamasinoro omaly,

27-févr-2025

fa hanao fambolen-kazo eny Imerikasinina io Antoko io ny sabotsy 01 martsa ho avy izao, ka amin’ny 8ora sy sasany ny fahatongavana, raha ny toromarika. Sady manosoka ireo zanakazo maty no mamboly vaovao, hoy i Rina Randriamasinoro. « Tokony tsy hisy ny fanatsakanana avy amin’ny mpitondra satria tontolo iainana io ka samy tompon'andraikitra aminy fikojakojana izany ny rehetra », hoy io depiote sady Sekretera Jeneralin’ny TIM io. Tsiahivina fa isan’ny nanamarika an’Imerikasinina ny fitsangatsanganana nataon’ny TIM sy ny Miara-Manonja tany amin’ny taona 2021 izay nanaovan’ny Fitondrana fanakanana eraky ny làlana ka nanetsehana Emmo-reg zavon-tany, ka betsaka no nisafidy sy voatery nandeha an-tongotra ny 06 febroary 2021. Havela malalaka ny TIM amin’ity fambolen-kazo hataony ity sa ho avy indray ny filàna kisa avy amin’ny Fanjakana tahaka ny natao tamin’ireo mpitarika politika teto Antananarivo vao tsy ela izay fivoriana tany anaty efitrano aza nosakanana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap