airtel

Actualités

08-janv-2021

Actualités

Famerenana ireo volamena sy olon-dratsy Hanao fangatahana iraisam-pirenena i Madagasikara

Sample post image

Nanao fivoriana arak'asa teny amin'ny Ministeran’ny raharaham-bahiny Anosy

08-janv-2021

 

 

 

 

 

ireo minisitera voakasika momba ny raharaha volamena 73,7kg tratra any Afrika Atsimo: Minisiteran’ny raharaham-bahiny, ny Minisitry ny Fitsarana, minisitry ny fiarovana, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, minisitry ny harena an-kibon’ny tany, minisitry ny fiterana,… raha toa ka tsy eto an-toerana ny Minisitry ny raharaham-bahiny fa any ampitan-dranomasina. Nanatrika izany ihany koa ny PAC, ACM (Aviation Civile de Madagascar), polisy mpiaro ny sisin-tany (PAF). Voatery miditra an-tsehatra ny raharaham-bahiny satria tsy eto an-toerana no nahatarana izany fa any Atsimo. Manana tanjona hamerenana ireo volamena sy ireo olon-dratsy hotsaraina eto, hoy ny Minisitry ny Fiarovana Jeneraly Léon Rakotonirina nisolo tena ny Minisitry ny raharaham-bahiny izay tsy eto an-toerana.

EFA MISY DOSIE ANY AMIN’NY PAC

 Niala teto Antananarivo, nandeha Toliara, ary milaza ny hanao solika ilay fiaramanidina, kanefa nanita-kevitra niala an’I Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Jhonny Richard Andriamahefarivo. Tamin'ny 31 desambra dia efa nisy fitoriana (Plainte) noho ny afera maloto mikasika ny sasany amin’ireo olona ireo teny amin’ny PAC tamina heloka mitovitovy amin’izao, kanjo nisy an'io ihany koa. Ny olona kely amintsika, tsy misy fifanarahana ara-pitsarana amin'i Afrika Atsimo isika amin’ny toe-javatra tahaka izao, fa kosa nanao sonia ny fifandraisana maneran-tany momba ny raharaha ady heloka, afaka mangataka amin'ny Firenena Afrikanina Tatsimo satria entana avy eto, ary Malagasy no nitondra ilay izy. Hanao fangatahana Iraisam-pirenena ahafahana mandefa azy aty Madagasikara (extradition) sy hamerenana ireo entana, ary ahafahana ihany koa manao ny fanenjehana ireo voakasika rehetra, hoy ny Minisitry ny Fitsarana. Hiakatra fampanoavana tsy ho ela ireo roalahy, ary ny 12 janoary kosa no hotsaraina any Afrika Atsimo ireo telo. Nilaza ny Jeneraly Ravalomanana fa ny Minisiteran'ny filaminam-bahoaka, dia efa nahazo ihany koa fampahafantarana ny 01 janoary. Nambaran’io jeneraly io, fa tsisy fisavan'ny Polisy misahana ny sisin-tany (PAF), ny fahasalamana, ny ladoany, ary tsy tokony ho afaka nivoaka teto mihitsy io fiaramanidina io, fa tena nivoaka an-tsokosoko. Nambarany fa vao niseho iny dia niantso azy ny Filoha ny 2 janoary maraina mba hanao famotorana, hijerena hoe iza no tafiditra ary izaho na iza na iza tafiditra amin'io dia ataovy ny fanenjehana, hoy ny filoha, fa tsy hisy indrafo, araka ny fitantarany. Efa tratra ny alarobia teo moa no tratra i Iandry Nirina Rasamoelina, ilay iray fahadimy farany tamin’ireo nanondrana mivantana. Ho tratra tokoa ve ny tena atidoha sa ny irakiraka ihany no atao sorona ?

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap