Mihazakazaka ny toe-draharaha amin'ny ady amin'ny tsy maty manota. Miraradraraka ireo dosie mikasika ireo afera goavana teto amin'ny Firenena. Dosie goavana 2 izao no isan'ny malaza saingy efa manodidina maherin'ny 20 no niakatra fampanoavana, tsy latsaky ny 6 ny olona efa any am-ponja. Raharaha maro mety mbola hifoha,... Isan'ny mbola mitana ny sain'ny maro ny raharaha Mamy Ravatomanga na tsy eto an-toerana aza. Haverina eto Madagasikara i Mamy Ravatomanga, mba ho tsarain'ny Fitsarana Malagasy", hoy ny filoha Kolonely Michael Randrianirina omaly. Miasa mafy manangona "dossiers" ny Fitsarana Malagasy hanaovana ny fanenjehana rehetra. Misy Mpisolovava Maorisiana ihany koa manampy an'i Madagasikara. Efa nampanatena moa ny Minisitry ny Fitsarana fa vola sy harena nivoaka tsy ara-dalàna teto mitentina 5 miliara dolara tsy maintsy haverina. Ny dosie SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) tafakatra 16 ny olona nohadihadiana ka any am-ponja ny Tale Jeneralin'ny CNaPS teo aloha Mamy Rakotondraibe. Tsy mbola misy fanamelohana izany hoe: mbola mitoetra ny "présomption d'innocence" saingy amin'ny lafiny iray dia taratry ny tsy maty manotan'ny Fanjakana Rajoelina nanehoana ny fitantanana mafia. Olona voarohirohy tamina kolikoly avo lenta, nidoboka am-ponja vonjimaika, navoaka, naverina nitazona toerana stratejika tao amin'ny Madagascar Airlines,... Mbola taratr'izany ihany koa ny mikasika ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo teo aloha Atoa Naina Andriantsitohaina, izay nilaza fa tsy nangalatra ary vonona hitondra ny antontan-taratasy samihafa raha misy fanadihadiana azy na fony Ben'ny tanàna na izy Minisitra. Dia io ihany koa ny raharaha Rinah Rakotomanga. Tafakatra 5 ny olona ny nidoboka am-ponja vonjimaika noho ny raharaha Madagascar Airlines. Olona enina no natolotra teo anoloan’ny PAC. Taorian’ny fitsarana voalohany nataon’ny mpitsara mpanadih terready, dimy no voatazona am-ponja vonjimaika ary ny iray kosa navotsotra vonjimaika saingy eo ambany fanaraha-maso ara-pitsarana. Lohalahana amin'ireo nalefa any Antanimora i Rinah Rakotomanga sy ny vadiny miampy mpitantana telo hafa ao amin’ny orinasa, ahitana ny tale jeneraly lefitra izay misolo toerana ny tale jeneraly tao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Araka ny tatitra navoakan’ny "Parquet de second degré" ao amin’ny PAC (Pôle) tamin’ny sabotsy teo, ny raharaha dia mifandraika amin’ny tsenam-bahoaka nataon’i Madagascar Airlines tamin’ny orinasa BTP tarihin’ny vadin’ny Rinah Rakotomanga. Dosie momba ny fanarenana ny tranon’i Air Madagascar, mitentina 498,8 tapitrisa ariary. Nilaza ny PAC fa “betsaka ny tsy fetezana hita tamin’ny fomba nanomezana ny tsena”. Nipoitra tamin’ny taona 2023 ity raharaha ity, ary araka ny tatitry ny PAC, ny Bianco no nanomboka ny fanadihadiana taorian’ny fitoriana voaray tamin’ny Desambra 2024. Ny heloka voalaza ao anatin’ny raharaha dia ahitana: Favoritisme (fanomezana vahana olona akaiky); Conflit d’intérêts (ady tombontsoa); fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka; Fandrobana vola-bahoaka; fiaraha-miasa amin’ny fandrobana; fanararaotam-pahefana. Toa an'i Naina Andriantsitohaina izay nilaza fa madio dia, nilaza i Rinah Rakotomanga taoriana kelin'ny fionganan-dRajoelina rehefa naloam-bahoaka hoe: "tsy lanim-bahoaka izao fitondràna izao fa misandoka fahefàna fotsiny, noho izany dia tsy maintsy mifampiraharaha aminay voafidimbahoaka ny mpitondra. Raha mafy izao fitondràna mpisandoka fahefana izao dia sambory aho. Tsy matahotra ny higadra aho satria madio tànana.".
VOIZINA HO VALIFATY POLITIKA
Aty aoriana voizina mafy ny hoe "valifaty politika", saingy tena izany ve no mitranga ? Ezahana takonana ao anaty filazana fa valifaty politika ny halatra sy kolikoly avo lenta? Mbola maro no mety ho avy eo, ary ny hirariana dia tsy hisy tombo sy hala: fitanam-bola tamin'ny covid-19 izay efa nanaovan'ny Cour des comptes tatitra; ny trafikana volamena; trafikana vatosoa nahatafiditra teratany vahiny sy nisy fidirana an-tsehatra Minisitra 2 teo aloha tamina fakana vola nandamindamina ny raharaha; ny raharaha tetikasa PRODIGY nisy famotsiam-bola 140 tapitrisa dolara; ny afera maloto nahasaringotra depiote volomboasary, tandapa samihafa, mpikamban'ny governemanta teo aloha, governora, ny dosie am-polony mahery tokony handalo HCJ,... Eo ny mety ho fanenjehana ara-pitsarana fa azo atao ny fanagiazana fananana samihafa. Isan'ny navoitran'ny governemanta rahateo ny herinandro lasa teo ny resaka zo tsy azo henjehina na "immunité" izay mikisakikisaka amin'ny raharaha kolikoly sy fanodinkodinana volam-bahoaka,... Nanamafy an’io ny Filoham-panjakana omaly. Mandeha ny famoazana dosien'ireo volomboasary fa mifoha ihany koa ny fampahatsiahivana ny dosien'ireo mpitondra tany alohan'ny volomboasary, ny an'ireo nanao sesintany ny tenany ka niverina teto rehefa nirodana i Rajoelina,... Asa mba hisy tohiny ihany koa ve ireny?
Toky R
Mbola tsy niasa dia potika, mampiahiahy ny kalitao na teo aza ny rivodoza