airtel

Actualités

27-sept-2023

FAMONOANA AN’I TSOA VHF

Hiakatra fitsarana rahampitso Alakamisy

Sample post image

Hiakatra fitsarana rahampitso Alakamisy 28 Septambra ilay raharaha mahakasika ny famonoana an’i Tsoa

27-sept-2023

tao amin’ny tarika VHF tamin’ny fomba feno habibiana. Amin’ny 8 ora sy sasany maraina, ao amin’ny efitrano laharana fahadimy no toerana nomen’ny tompon’andraikitra, izay hiantsoan’ny fianakaviany ireo mpanakanto ny namana sy tapaka rehetra. Akanjo fotsy ho hangatahin’iretsy voalohany hisalorana mandritra izany ho mariky ny firaisan-tsaina sy ny firaisam-po. Raha tsiahivina moa dia efa any am-ponja am-bolana maro izao ny vehivavy iray niara-nihira tamin’Itompokolahy fony fahavelony tao anatin’ilay lohan-teny hoe : tsapako tena mamy izay tena nalazabe tokoa. Na izany aza dia mbola famonjana vonjimaika ihany no vita hatreto fa tsy mbola nisy kosa ny tena didy nivoaka mahakasika ity raharaha ity. Andrasan’ny rehetra araka izany izay mety ho tohin’ny tantara anio Alakamisy 28 Septambra. Loha-hevitra hiantsoan’ny fianakaviany ny rehetra mba ho avy hanohana azy moa ny tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Galatiana 6: 2 izay manao hoe : Mifampitondrà izay mavesatra ary aoka izany no hahatanterahanareo ny làlan'i Kristy.
Pati
Legende : Feno dian’antsy tahaka izao no nahitana ny vatana mangatsiakan’Itompokolahy !

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap