airtel

Actualités

22-mars-2023

Actualités

Famonoana vady ho faty Mety ho aretin-tsaina na vokatry ny hasarotam-piaro be loatra

Sample post image

Mety ho aretin-tsaina kanefa mety ho vokatry ny hasarotam-piaro diso tafahoatra ihany koa no mahatonga ny lehilahy na vehivavy iray mahavita mamono mahafaty ny vadiny, hoy ny mpitsabo iray.

22-mars-2023

Miantomboka amin’ny fanaovana herisetra ara-tsaina sy ara-bola izany arahin’ny rahom-bava mitohy mankany amin’ny fikasihan-tanana ary tsy mijanona intsony. Anisan’ny niaina izany i Bernadette, Renim-pianakaviana iray monina any Miarinarivo any, Faritra Itasy. Raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany ao amin’ny faritra misy azy dia voadaroky ny vadiny foana ity Ramatoa ity. Namoy ny ainy izy ny 15 martsa teo ka anisan’ny voarohirohy tamin’izany Ingahy David vadiny izay voatery naiditra am-ponja vonjimaika.
FIKASIHAN-TANANA
Araky ny valin'ny autopsie mantsy dia nahitana mangana ny vatan'ity ramatoa maty ity sy ny lamosiny ary ny tarehiny. Vono sy ratra niniana natao no antony nahafaty azy hoy hatrany ny vaovao. Efa nigadra in-telo koa izy noho ny fikasihan-tanan’ olona, ka anisan'izany ilay reniny niteraka azy. Mbola nandainga ihany moa ity Rangahy ity nilaza fa rotsa-kazo no hampiasainy hidarohana am-badiny rehefa manitsy azy izy. Tsy izany anefa no zava-mitranga fa mampiasa izay fitaovana hitany sy voarain’ny tanany eo akaikiny eo mihitsy ity Rangahy ity mba hitorahana ny vadiny rehefa tezitra izy. Electricien no asany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap
21-mai-2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

Card image cap
21-mai-2025

Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,

Card image cap
21-mai-2025

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

Card image cap
20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap