airtel

Actualités

27-avril-2023

Actualités

Fampandrosoana ny toekarena «Miha mivoatra ny anjara toeran’ny vehivavy»

Sample post image

Ny reny no maha firenena, hoy ny fitenenana izay, ary na ireo mpahailiteratiora toa an-dry Edouard

27-avril-2023

Rakotondratsimba aza dia nilaza fa tsy mahadika ny atao hoe «firenena» ny teny frantsay hoe «patrie», izay «père» na «ray» no fototeniny. «Matrie», hoy izy, no tokony ho izy satria «mère» na «reny» no fototry ny firenena. Araka ny fikarohan’ireo mpahaiolona politika sy toekarena na «anthropologue politique et économique» kosa dia misy fitantanana miisa 3 tsy ahafahan’ny vehivavy miala dia ny fitantanam-bola, ny taranaka, ny tokantrano. Manao ahoana kosa ary ny fiheveran’ireo andriambavilanitra ny anjara toeran’izay vehivavy anaty fampandrosoana toekarena izay? Hoy ny solontenan’izy ireo mamaly izany;
HARILALA RAMANANTSOA
MPANDRAHARAHA, MPIKARAKARA HETSIKA FAMPIRATIANA
«Ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha, tambazotra oseanina indianina, izay tantanako eto Madagasikara, dia mpiara-miombon’antoka amin’ny FIM 2023. Hampiranty ety amin’ny Expo Forello Tanjombato izahay ary hampahafantatra koa ny fikambanana misy anay. Ao anatin’izay no hanentananay ireo vehivavy tanora maniry te handraharaha na koa ireo vehivavy efa mandraharaha ka te hiditra amin’ny tambazotranay. Ahafahana mifanakalo hevitra ao, mifanohana, mifampahery, mifampizara traikefa koa ao. Efa manomboka mahazo vahana ny toeran’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao. Ny fiakaran’ny vidim-piainana dia tsara raha mifandrimbona ankehitriny ny lahy sy vavy mba samy hampidi-bola hanatsara foana ny fiainana ao an-tokantrano.»

MIRANA LANDIVOLOLONA
MPANDRAHARAHA AMINA SEHATRA MAROLAFY
«Miha mivoatra ny anjara toeran’ny vehivavy eo amin’ny fampandrosoana ny toekarena satria tamin’ny andro taloha ny vehivavy dia notezaina hijanona ao an-trano, hikarakara tokantrano na dia manana fahaiza-manao afaka trandrahana hampandrosoany ny toekarena aza. Maro an’iza eto ambonin’ny tany ny vehivavy. Toy izany koa ny eto Madagasikara ary azo lazaina hoe mbola «population jeune» na vahoaka tanora isika. Azo trandrahana izany sy ilay hoe maro vehivavy eto. Mahafehy zavatra maro na «multitâche» ny vehivavy. Raha omena sehatra malalaka, noho izany, ny vehivavy malagasy amin’ny fampandrosoana toekarena dia tena ho tombony goavana ho an’i Madagasikara. Isaorana indrindra ny mpiady sy mpiaro ny zon’ny vehivavy satria tokony ho zara-mira koa na ny fikarakarana tokantrano aza ho an’ny lehilahy sy vehivavy mba hahafahan’ny vehivavy mitrandraka sy mampiasa ho amin’ny fampandrosoana izay fahaiza-manaony izay. Tena goavana ho an’ny firenentsika izany na dia mbola sarotra aza ho an’ny toerana sasany izay mbola mametraka hoe ny lehilahy ihany no mahazo mampidi-bola na mandraharaha.»

Nanangona sy nandrindra : J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap