Tanjona ny hametrahana antoka ao anatin'ny fandrisihana ny fampiasana ny zava-baovao ho an'i Madagasikara, saingy ao anatin'ny fandrindrana mahomby sy maoderina ny habakabaka, izay tafiditra anatin'ny antsoina hoe: UAS hifehezana ny fampiasana ireo voasokajy anatin'ny "systèmes d'aéronef no habité” toy ny drones. Lalàna natao hifehezana sy handrindrana ny "drones" eto amin'ny tanin'ny Firenena Malagasy noho izany ity RAM 10000 ity. Mamaritra ireo sokajina drones, ny fenitra sy fepetra takiana amin'ny fanamaninana, ny fiofanana arahin'ireo mpampiasa azy sy ny lafiny ara-piarovana sy filaminana, ireo dingana arahina mba hahazoana ireo fahazoan-dalana ilaina. Napetraka io fepetra io izay hampiroporoboana ny fisitrahana zava-baovao io, saingy anatin'ny fitandroana ny fitrandrahana ny habakabaka sy ny fiainana manokan'ny vahoaka. Notsipihin'ny ACM fa ny fampiharana ity fitsipika ity Dia mila fepetra fanolanana ho an'ireo mpampiasa drones. Tsy maintsy ampahantarina sy raketina any amin'ny ACM ny mombamomba ny drones ankoatra ireo karazana kilalao na tsy mandeha mihoatra ny 100m sy tsy mihoatra 900g ny lanjany eo am-piaingana. Ny fampiasana ny drones ho asa fitadiavambola dia mila fahazoan-dalana. Mila manaraka fiofanana mifandraika amin'ny fitaovana ampiasaina ihany koa ireo mpanamory. Tsy maintsy manaja ny fepetra apetraky ny rafi-pahefana mandrindra ny habakabaka ireo mpikirakira ireny fitaovana ireny, ary tsy maintsy mamaritra ny antoka ara-pilamin'ny sidina tsy hanohintohina ny hafa. Vinavinaina hihatra manomboka ny febroary 2025 moa ity RAM 10000 novolavolain'ny ACM ity.
Toky R
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.