airtel

Actualités

28-nov-2025

Fampiasana «panneaux solaires »

sy menaka mavesatra

Sample post image

Hiteraka ambim-bava 225 tapitrisa dolara isan-taona ho an’ny Jirama

28-nov-2025

Misy drafi-panajariana mifantoka amina teboka 4 lehibe : famerenana ny fifandanjana amin’ny fampiodinana ny Jirama, fanavaozana ho maoderina ny fitaovana, fampihenana ny « subvention » na tohana ara-bola, fanafoanana ny trosa,… ka ao anatin’ny 5 taona dia hahavelon-tena ny Jirama, raha ny nambaran’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Ralitera Ny Ando Jurice omaly teny anivon’ny Antenimierampirenena omaly. Miroso amin’ny fampiasana ny « panneaux solaire » izay miteraka fitsitsiana 46 tapitrisa litatra isan-taona, miteraka ambim-bava 184 tapitrisa dolara, raha ny kajikajy navoakan’ny Minisitra. Hanafatra milina fa milina mandeha amin’ny menaka mavesatra na « huile lourde » fa tsy amin’ny gazoala hahafahana manana ambim-bava 41 miliara dolara isan-taona ka anatin’ny 2 taona izany 82 tapitrisa dolara hahafahana mandoa ny trosan’ny Jirama. Mbola hisy ny « audit » amin’ny trosa tokony haloan’ny Jirama na izany aza. Raha atambatra izany ireo dia mampihena 225 tapitrisa dolara isan-taona na 1000 miliara Ar eo ho eo. Ao anatin’ny drafitra ny « nationalisation » fa raha ny Jirama amin’izao dia tsy afaka hanao tetikasa fampiasam-bola be aloha amin’izao, raha ny fanazavana teknika. Tsy misy tsy mitaky vahaolana izao dia izao, saingy tsy afaka manome toky fitaka fa handeha 24/24 ora daholo, ary tsy hisy delestazy intsony ny faritra rehetra, fa ezahana kosa ny mampihena izay tokony hahena. Miezaka 24/24 ora ho an’ireo milina mandeha solika, miezaka ny Fanjakana, saingy misy olana anefa ny fitateran’ny Madarail izay miantoka ny 15000m3. Sarotra ny fitaterana, fa rehefa miverina amin’ny laoniny ny fitaterin’ny Madarail dia miverina amin’ny laoniny ny famatsiana..
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap