airtel

Actualités

03-nov-2022

Actualités

Fampidirana biby tsy voajanahary eto Mety hiteraka olana sarotra harenina, hoy ny Pr Jonah R

Sample post image

Faniriantsika rehetra ny handrosoan'i Madagasikara fa rafitra mitovy amin’ny kolontsaina sy ny rafi-piarahamonina Malagasy miorina amin’ny fokonolona no mety eto fa tsy copie collé mety tamin’ny tany ivelany;”,

03-nov-2022

hoy ny Pr Jonah Ratsimbazafy. Nambarany fa nisy namana manam-pahaizana Oceanographe Malagasy efa niteny fa ohatry ny tsy mety ao Toamasina io Miami io satria toerana idiran'ny rivodoza lava i Toamasina ka mila vato lalina no atao ao sns... Ka tsy hoe tsy fitiavana no nilazany izany fa tsy te hanan-dratsy izy ka hiteny sy hanome tsiny ny olona avy eo fa tsy miteny ny manam-pahaizana teknisiana kanefa natao forcing fotsiny ny fanaovana ilay izy, hoy hatrany ny Pr Jonah Ratsimbazafy... Naneho izy fa toy izany koa ny mahakasika ny resaka tontolo iainana. “Ny fampidirana biby na zava-maniry sasany amin’ny toerana tsy voajanahary amin’ilay toerana dia mety hiteraka olana sarotra harenina avy eo. Jereo tsy lavitra antsika fa ao amin’ny Nosy Maorisy dia lasa olana be mihitsy ny nampidirana ilay karazana rajako Macaques fa feno azy ny ala kely ao. Toy izany koa ny fody vorona Malagasy sy Ravinala Malagasy nampidirina tany fa saika ireo no manjaka any Maorisy amin’izao ka tena “espèces envahissantes” be”, hoy izy. Zava misy any mampitaraina ny Maorisiana ireo hatramin’izao ary ilay zavamaniry sy vorona zanatany Maorisiana no atahorana hanjavona.
IZA NO MANAM-PAHAIZANA NILAZA FA METY ETO IREO ?
Nahitsy ity Profesora ity nilaza fa matoa tsy misy Rajako fa gidro/Varika/lemuriens no misy eto Madagasikara ka efa mahatratra 112 ny karazany izay mandrafitra ny 20% “primates non-humains” maneran-tany dia satria tamin’ny fotoana nahatongavan’ny razambeny teto Madagasikara 50 tapitrisa taona lasa dia tsy mbola nisy ny Rajako/Singe ka tsisy ady fifaninanana teo amin’ny Rajako sy ny Gidro izay toy ny nitranga tany Afrika sy Asia izay niteraka fihenan’ireo “prosimiens” kely tany fa lasa nihafihafy ny kely rehefa tonga ny Rajako taty aoriana. Notsipihiny noho izany, fa tena zava-dehibe ny ahafantarana ny tantara mba tsy anaovana zavatra tsy mety sarotra harenina avy eo. “Izany SAFARI izany tompoko dia ny fijerena ireo biby be toy ny “Big five” any amin’ny toerana voajanahary misy azy fa tsy biby nafindra tamin’ny toerana tsy voajanahary toy ny “Zoo”. Matoa tsy nisy ireo teto Madagasikara dia misy antony sy fanazavana siantifika momba izany. Tsisy liona eto fa ny Fosa no “carnivores endémiques” lehibe indrindra. Matoa tsisy rameva na chameau eto dia misy toerana ahitana azy ireny any Afrika Arabo Lybie sy Maroc ireny... Jereo ny “condition” an’ireo chameau ao amin’ny valanjavaboaharin’I Tsimbabaza... Tsy fantatro hoe Iza no siantifika “naturaliste” mahay momba ny “écosystèmes” nanontaniana ka niteny fa mety asiana Girafe, Zebra, elefanta sy liona ny “Aires protégées” eto Madagasikara ? hoy ny ampahany tamin’ny fanehoan-kevitry ny Pr Jonah Ratsimbazafy izay manam-pahaizana sy mpikaroka manokana momba ny zava-boahary indrindra fa ny biby toy ny ragidro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap