araka ny resaky ny filoha Andry Rajoelina ny 16 jolay 2023 lasa teo ary mbola azo averina jerena sy henoina tsara ao amin’ny rohy : https://www.youtube.com/watch?v=0gyHEL6dzDM izany. Hoy indrindra ingahy Filoha nandritraio fandaharana io hoe : « Izaho efa nanome toromarika an’i Monsieur le ministre, ary io izy io dia ho tsaraintsika. Monsieur le minisitre, 3 semaines tsy misy delestazy intsony ..farafahatarany eto amintsika. Tsy afaka ataon’ny filohan’ny repoblika no sady filohan’ny repoblika no ministre n’ny enegie ,no DG an’ny jirama fa misy tompon’andraikitra ao ». 1400 miliara ariary no vola omena ny Jirama ao anatin’ny taona iray. Izay no fanambarana sy vola fa ny zavamisy aloha dia tamin’iny alin’ny fandaharana nataon’ny Filoha iny ihany dia efa delestazytsy nifankahitana Antananarivo renivohitra sy faritra maro nanodidina azy. Nolazaina fa hoe nisy nisompatra, avy eo hoe resaka papango, avy eo dia niditra tamin’ny hoe manolo tariby…tsy hay intsony izay tena marina fa mahita ambara foana ny Jirama ary misy foana ihany koa ny delestazy.Vao maraim-be, ny atoandro, alina. Maro ny fihariana misedra olana na tena poitika tsotra izao (mpivarotra trondron-dranomasina, mpanao lagilasy sy yaourt, mpanao vola,mpanao soudure…). Anisan’ny fampiesonanairay hafa indray izany ity resaka 3 herinandro ity. Raha tsy izay dia tsy fahafantarana ny zavamisy marina tsy fahafehezana ny fomba fiasa. Ny minisitry ny angovo moa dia efa mailaka be nanambara andro vitsy taorian’ny fanambaran’ny filohan’ny repoblika fa fanalefahana no atao fa tsy fanafoanana, ary mbola minisitra ao anaty governemanta tsara izy. Ka iza izany no nampijabaka an’ingahy Filoha sa izy mihitsy no efa tsy maharaka na inona na inona .
RTT
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa