airtel

Actualités

30-avril-2025

Fampihorohoroana, fanamelohana, fanagadrana

Mahita faisana ireo mpitarika sendika, mpitarika fihetsiketsehana,…

Sample post image

Nivoaka omaly 29 Aprily 2025 ny didim-pitsarana niampangana ny filohan’ny sendikan’ny paramedy, Rakotoarilison Armand.

30-avril-2025

Nilatsaka ny sazy manameloka azy enim-bolana sazy mihantona .Nampangaina ho nanao hetsika tsy nahazoana alalana sy namoaka sazy tsy nierana tao amin’ny faritry ny hopitaly HJRA ity mpitarika sendika ity. Nisy moa ny hetsika nataon’izy ireo ny volana martsa lasa teo nentina nanamafisana ny fitakiana ny zony, ka nanapahana fa tsy hisy afatsy fiandrasan-draharaha na « service minimum » tamin’ny 20 martsa lasa teo, saingy natao tsara ambin’ny mpitandro ny filaminana ny vavahadin’ny HJRA, niafara tamin’ny fitoriana sy fanamelohana. Tsy afa-po tamin’ity didim-pitsarana ity ny filohan’ny sendikan’ny paramedy, izay milaza hampakatra ny didy ka andrasana ny tohiny. Manamafy hatrany ny fanampenam-bava ankolaka ireo mpitarika sendika na mpitarika fihetsiketsehana samihafa itony. Mbola manan-draharaha ara-pitsarana hatramin’izao ohatra ireo mpitarika ireo mpitarika sendika dia ny Sekretera Jeneralin’ny Randrana Sendikaly Barson Rakotomanga sy ny Filohan’ny SECES Antananarivo Pr Ravelonirina Sammy Grégoire izay efa nohelohina 30 volana sazy mihantona saingy nampiakatra ny raharaha tamin’ny fitsarana ambony, ka miandry didy raikitra. Raha hiverenana, nampangàna ho niantso ny tafika hikomy izy ireo rehefa nanatitra taratasy fiantsoana ny tafika handray andraikitra manoloana ny korontana ara-politika niseho ny taona 2023, ka nilatsaka ny didim-pitsarana nanameloka azy ireo ny febroary 2024. Nihemotra hatrany didy raikitra avy amin’ny Fitsarana ambony, ka raha tokony ho tamin’ny zoma 25 aprily teo, dia mihemotra amin’ny 02 mey indray. Raha mbola manohy ireo hetsika sy tolona sendika samihafa ny iray, dia tsapa ho somary nangina tanteraka ny iray. Vao tsy ela fa ny 01aprily teo no nohelohina sazy mihantona 3 taona ny kolonely Fanampera izay nitarika hetsika nanoherana ny Base Toliara. Fitarihana olona hidina an-dalambe tsy nahazoana alalana, fitarihan'olona hikomy, fanimbana fitaovam-panjakana, fikasihan-tànana mpitandro ny filaminana, no vesatra niampangana azy. Raha izany vesatra sy fiampangana izany tokoa no mitombina, tsy vitan’ny sazy mihantona fa toa manamafy ilay hoe : izay mihetsika dia mahita faisana. Tahaka izany ihany koa ireo olona 3 nosamborina tao Vatomandry tamin’ny lanonam-pametrahana samboadin’ireo ben’ny tanàna vao roatokombolana lasa izay ka naiditra am-ponja vonjimaika satria notondroina ho mpanakorontana, ny rotaka tao Toliara nisiana fisamborana olona 6 sy naharatrana 2 vao ny alahady 27 aprily teo,… Mirangaranga hatrany ny fanenjehana, daroka lakrimozenina, fisamborana, fanagadrana,… Izany no nampifitsaka sy mahatonga ny antoko mpanohitra ho mangingina ? Mbola tany demokratika ve i Madagasikara sa efa lasa fonjabe mitafo lanitra ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Tsy voaharo ny harem-pirenena eto, hoy ny mpahaiolona ara-kolontsaina sady

Card image cap
13-mai-2025

Andao harenina ity fitsarana ity. Sahia miteny isan’andro amin’ny havanareo: fahotana ny kolikoly .

Card image cap
13-mai-2025

Taorian’ny KFC izany dia hoavy eto Madagasikara koa ny Mc Donald’s na Mc Do,

Card image cap
13-mai-2025

Ny kojakojan-dakozia sy ny fandriana no tena be mpividy indrindra amin’izao ho an’ireo

Card image cap
09-mai-2025

Miantso ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hidina any Ranobe, Toliara,

Card image cap
09-mai-2025

Tena mijaly amin’ny hafitsoky ny mpamosavy ireo miaramila mitoby ao amin’ny tobiny any amin’ny

Card image cap