airtel

Actualités

19-avril-2023

Actualités

Fampitomboana traikefa Ben’ny tanàna vehivavy miisa 37 no miatrika fiofanana

Sample post image

Miisa 37 indray ireo Ben’ny tanàna vehivavy avy amin’ny Faritra 14 isa eto amintsika ahitana ny Faritra Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Analamanga, Anosy, Atsimo Andrefana,

19-avril-2023

Atsimo Atsinanana, Boeny, Diana, Fitovinany, Haute Matsiatra, Itasy, Melaky, Menabe ary Vatovavy miatrika fiofanana entina hanatsarana ny fahaiza-manaon’izy ireo. Andiany faharoa izy ity raha araka ny vaovao azo karakarain’ny ivon-toeram-pirenena misahana ny fampiofanana ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sy ny fampiroboroboana ny fampandrosoana ifotony na ny INDDL. Nanomboka omaly ny fiofanana haharitra telo andro, tanterahina etsy amin’ny cenacle Amparibe. Mitovy tamin’ny andiany voalohany ihany ireo zavatra resahina mandritra ny fampiofanana toy ny filazana ny zavatra mamparary ireo Ben’ny tanàna amin’ny asany, ny olana amin’ny fitantanana amin’ny ankapobeny, ny fikirakirana ny volam-panjakana.. Tanjona amin’izany ny hahatsara tantanana ny kaominina. Tsy misy mantsy ny sekoly manokana ho an’ny Ben’ny tanana hoy ny filohan’ny fikambanan’ny vehivavy Ben’ny Tanana. Eo ihany koa ny mba hahafahana manentana ny vehivavy ho sahy handray andraikita hampandroso ny tanana misy azy . Tsiahivina moa fa miisa 94 ny isan’ireo Ben’ny tanàna vehivavy manerana ny Nosy.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap