airtel

Actualités

29-janv-2024

Fampivarotan-tena malagasy ao Mayotte

Olona miisa 3 no miandry fotoam-pitsarana

Sample post image

Olona miisa 3 no miandry fotoam-pitsaràna any Mayotte rehefa napetraky

29-janv-2024

ny fampanoavana eo ambany fanaraha-masony nanomboka ny 5 janoary teo, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena ao an-toerana ny sabotsy teo. Voalaza fa mampivaro-tena vehivavy malagasy izy ireo. Tamin'ny taon-dasa moa dia nisy fanadihadiana nataon'ny “Direction territoriale de la police nationale” na DTPN, izany hoe sampan-draharaha manokan’ny polisim-pirenena tao amina trano kely iray fivarotan-tena tany Mayotte. Fantatra tamin'izay fa efa tambazotra mihitsy no mampiodina io asa io. Vehivavy malagasy notaterina sy niditra an-tsokosoko, nanomboka ny taona 2020, no miasa an-kiafina ao amin'io trano io. Misimisy ihany ny vola azon'izy ireo, raha ny fanazavana. Ny 2 amin'ireo 3 voarohirohy dia tany La Réunion no tratra ny 2 janoary teo. Fanampiana amin'ny fidiran'ireo vehivavy malagasy sy fipetrahan'izy ireo tsy ara-dalàna ao Mayotte ary fampivarotan-tena azy ireo no fandikan-dalàna nataon'ireo olona miisa 3 miandry fitsaràna, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap