airtel

Actualités

09-déc-2025

Fanadiovana ny resaka

fananan-tany Manenjana mafy ny

Sample post image

Minisiteran'ny fanajariana ny tany…

09-déc-2025

Tonga nijery ifotony ny olana ara-tany ao Nosy Be ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, Général de Division Lylyson René de Rolland, niaraka tamin’ny ekipa teknika avy amin’ny ministera. Nambaran’ny Minisitra fa efa ela no niteraka fifandirana sy tsy fandriampahalemana ny olan’ny ady tany, indrindra noho ny fisian’ny fanararaotana sy ny tsy fanarahan-dalàna. “Ny tanjona dia ny famerenana ny filaminana sy ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ny fitantanana ny tany,” hoy izy. Noraisina nandritra ity fidinanana ifotony tao Nosy Be ity ny fanapahan-kevitra mafoanana ny “Bail” rehetra ary hijanona ho an’ny fanjakana ny "réserve foncière touristique". Ho an’ny mponina ao Sakatia kosa, haverina amin’izy ireo ny tany amin’ny alalan’ny Opération Domaniale Concerté (ODOC). Ity rafitra ity dia ahafahan’ny fokonolona mividy ny taniny amin’ny vidiny mirary: 5 Ariary isaky ny metatra tora-droa. Nosy-Be no toerana nanombohana ny ODOC, saingy kasaina ny hanitatra izany manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara. Hisy fifampidinihana sy fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny ministera, ny tompon-tany ary ny sefompokontany mba hamaritana mazava ny anjaran-tanin’ny tsirairay, raha ny tatitra. Efa mandrafitra fanavaozana ny ministera amin’ny lalàna mifehy ny fividianana tany. Raha 1.000 m² no fetra teo aloha, dia ho 5.000 m² ny faritra azo vidiana amin’ny ho avy. Ny fanarenana ny olana ara-tany dia tsy voafetra amin’ny lafiny sosialy ihany fa misy fiantraikany mivantana amin’ny toekarena sy ny fizahantany. Nosy-Be sy Sakatia dia toerana manintona mpizahatany iraisam-pirenena. Raha voavaha ny olan’ny tany, dia heverina fa hisy fitoniana sy fahatokisana vaovao ho an’ny mpampiasa vola sy ny mpandraharaha. Ny famerenana ny tany amin’ny fokonolona dia heverina hanamafy ny fandraisana anjaran’izy ireo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, amin’ny alalan’ny fambolena, ny asa tanana ary ny tolotra mifandray amin’ny fizahantany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap