airtel

Actualités

03-sept-2021

Actualités

Fanafainganana ny asam-pitsarana Notsirihana tampoka ny tao Tsiafahy omaly

Sample post image

Nidina ifotony teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny Tonia Mpampanoa Lalàna (Procureur de la République – PR) eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (Tribunal de Première Instance – TPI) Antananarivo,

03-sept-2021

sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky omaly. Ity fonjabe iray ity izay misy fiarovana manokana raha tsiahivina, no nanaovana ny fitsirihana tampoka . Araka izany dia nojerena tamin’ny an-tsipirihany ireo lisitry ny voafonja, ireo toerana misy azy ireo, nohenoina ireo fanamarihana sy fitarainana manokana avy amin’izy ireo, noraisina an-tsoratra tsirairay hatao tatitra amin’ny ambaratongam-pahefana mahefa isan-tsokajiny mba hoenti-manatsara ny asa. Anisan’izany ohatra ny fangatahana fifindrana toeram-pamonjana, ny fanalefahan-tsazy, ary ny fanampiana ara-tsakafo sy ny vahaolana amin’ny fahafenoan’ny fonja. Araka ny nambaran’ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny TPI Antananarivo, Rtoa Rakotoarivony Marie Annick, dia ilaina tanteraka amin’ny fanatsarana ny asa ny fidinana ifotony tahaka izao. Ho an’ny Talen’ny Fonjabe misy fiarovana manokana ao Tsiafahy, Atoa Rabenatoandro Lahatra Willy, dia nosinganiny manokana ny fihoaran’ny isan’ny voafonja, izay efa lasa 3 na 4 heny amin’ny tokony ho zakan’ny foto-drafitr’asa. Na izany aza dia miezaka ireo tompon’andraikitra mifehy ny fandriam-pahalemana, sy ny fiahiana ny zon’olombelona. Nomarihiny fa tsy mbola nisy hatramin’izao ireo voafonja tratran’ny valan’aretina Covid-9 tao Tsiafahy.
Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap