Jiolahy efa rain-dahiny amin'ny resaka halatra mitam-piadiana i "TOLOTRA" raha tsiahivina. Efa karohin'ny Polisy fatratra any an-toerana izy raha araka ny vaovao azo. Ny angom-baovao nataon'ny Polisy sy fanomezam-baovao avy amin'ireo olona tsara sitrapo no nahafantarana ny toerana nisy azy. Rehefa tazan'ity jiolahy ity ireo polisy dia nambanany basy avy hatrany, antony nahatonga ny mpitandro ny filaminana nitifitra avy hatrany ka namoizany ny ain-dehibeny. Mbola tratra teny amin'ity farany ny basy vita gasy fampiasany amin'ny asa ratsiny. Marihana fa nisy naman'ity jiolahy ity izay efa azon'ny Polisy sambo-belona tany an-toerana ary efa naiditra am-ponja vonjimaika. Mitohy hatrany asa hataon'ny Polisy any an-toerana manoloana ireo trangana tsy fandriam-pahalemana miseho any amin’iny faritra iny.
Nangonin’i Pati
Legende : Maty i Tolotra
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa