airtel

Actualités

03-août-2021

Actualités

Fanakian’ny depiote rossy Namaly bongana ny orinasa FITRAMA

Sample post image

\ Taorian’ny fanakianana nataon’ny depiote Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook mikasika ny asa fitsaboana sahanin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA ….

03-août-2021

ka nametrahany ny sarin-dRafanomezantsoa Jean Nirina teo ambanin y dia namaly bontana avy hatrany ireto farany. Nambaran’izy ireo aloha fa miara-dia amin’ny Fitondram-panjakana izy ireo saingy tsy mila ny depiote Rossy kosa. Nolazainy tamim-pomba ofisialy ihany koa fa hanova ny lokon’ny sary famantarana azy ny FITRAMA izay hivadika ho vonim-boasary manomboka izao raha maintso sy manga teo aloha. Ho fanandratana ny vita Malagasy avokoa no anton’izany hoy izy ireo. Tsy zakan’ity depiote ity loatra mantsy hoy Herilala Andrianaivo ny fanandratana ny maha-Malagasy. Izy no voavidin’ny mpanjanan-tany hoy izy fa tsy izahay, izy no nialokaloka tany La Frantsa rehefa avy niady tamin’ny mpiara-belona teto an-tanindrazana ka rariny loatra raha hisolelaka amin’ny Frantsay fa tsy izahay velively. Ny anay Madagasikara tsy hatakalo hoy izy. Nihomehy kely ny kaporaly Bob, tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA omaly raha nilaza fa an-dranomaso hatrany no nahafahan’ny depiote Rossy niverina teto an-tanindrazana taorian’ny fotoana tsy maintsy nijanonany tany ivelany. Mbola an-dranomaso ihany koa hoy izy no nifonanany tamin’ireo mponin’Ambatondrazaka, Betafo…. ka hadino sahady ve izany rehetra izany ? Mbola nampian’izy ireo moa fa afaka mankany La Frantsa ny depiote Rossy manao vaksiny …. fa avelao ny Malagasy higoka ny tombontsoa azo avy amin’ny fitsaboana nentim-paharazana.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap