Nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena nanomboka tamin'ny 21 Jona teo izay natao teo amin'ny place ritz dia naharay fitarainana ireo polisy niasa teny an-toerana fa misy andian-jatovo manakorontana sy mitoraka amin'ny vato isan-kariva. Ny alin'ny 25 jona dia nitsirika ireo adian-jatovo ireo ny Polisy. Tsikaritr'izy ireo anefa ireto farany nandritra izany ka nitsoaka nandositra izy ireo. Raikitra ny fifanenjehana noho izany ka tratra tsy lavitra teo avokoa izy 05 lahy. Rehefa nohamarinina ny taonan' izy ireo dia 14 taona no zandriny indrindra raha 20 taona no zokiny indrindra izay nilaza fa agent de sécurité. Hiakatra fampanoavana anio izy ireo hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Ireto izy enin-dahy nanakorontanana mpijery lanonana tao Toamasina
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa