airtel

Actualités

20-janv-2023

Actualités

Fanararaotana noho ny rivodoza Misy mivarotra 1500Ar ny kapoakan’ny vary any Sambava

Sample post image

Ankoatra ny fahavoazana ara-materialy sy amin’ny maha olombelona nateraky ny rivodoza sy ny andro ratsy.

20-janv-2023

Mandeha sahady ny fanararaotana amin’ny resaka vidin-javatra any amin’ny faritra sasany, tahaka ny miseho ao Sambava, raha ny fanamarihana. Misy mantsy ireo mpivarotra sasany lasa manararotra mampiakatra ny vidim-piainana am’izao fisian’ny andro ratsy izao. Ny vary, ohatra, misy mivarotra 1500Ar ny kapoaka, ny arina fandrehitra tafiakatra hatrany amin’ny 50 000Ar. Manaitra ny tompon’andraikitra mahefa noho izany mba handray fepetra hentitra eo anatrehan’ny fanararaotana tsy ara-drariny satria sady efa lasibatry ny loza voajanahary ny vahoaka, mbola voavelin’ny vidim-piainana midangana. Tsy any any amin’ny faritra misy andro ratsy sy traboina ihany, fa tena mila henjanina ny fepetra eo anatrehan’ny fanararaotana, fa mila mitady vahaolana ihany koa ny Fanjakana eo anatrehan’ny fahantrana lalina izay mampihena ny fahefa-mividin’ny Malagasy, ary indrindra ny fifehezana ny sondro-bidim-piainana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap