Naneho ny heviny mikasika ny fikirakirana ny tambajotran-tserasera Facebook eto amintsika Tahina Razafinjoelina, filohan'ny antoko politika Tia Tanindrazana no sady mpanabe. Na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy tenenina ny marina hoy izy. Mitady hivadika fitsaram-bahoaka mantsy ny tambajotran-tserasera eto amintsika ka tokony handraisan'ny fanjakana mijoro fepetra. Mandeha daholo ny fanaratsiana maimaim-poana hoy ity Filohan'ny antoko Tia Tanindrazana ity na olona izany na orinasa....Ahiana hamotika fiainan'olona maro eto amintsika izany raha mitohy hoy hatrany izy koa hanairana ny Fitondram-panjakana. Nomarihiny moa fa any amin'ny firenen-kafa dia melohin'ny lalàna velona ny fanaratsiana tsy ara-drariny olona na orinasa, tahaka izao misy eto amintsika izao. Ny ampitson’ny namoahany io fanehoaneviny io moa dia efa nisy sahady ny pey nandika vilana ary tena namoaka zavatra diso mihitsy momba ny nambaran’i Tahina Razafinjoelina.Aoka isika tsy handainga na hanova ny zavatra nambara fa hilaza ny marina hatrany hoy izy satria tsy mahasoa ny mandainga. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin'ny fanavaozana sy ny fanarenana ny firenena isika eto Madagasika ankehitriny koa rariny sy hitsiny raha mba samy miezaka manao ny mety sy ny marina amin’ny asa sy ny fiainana satria efa samy nahita tsara ny vokadratsin’ny fampanatenana poakaty sy fampiesonana manarapenitra niainana teto an-taonany maro.
Pati
Légende: Tahina Razafinjoelina filoha nasionalin’ny Tia Tanindrazana