Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro lasa teo ny fandaharan’asa MIANATRA, tetikasa vaovao iarahan’ny orinasa Vara Mada, sampan’ny Energy Fuels, miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny ONG amerikanina Global Communities sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena eto Madagasikara. Ity hetsika ity dia mikendry ny hanome sakafo isan’andro ho an’ny ankizy miisa 10 000 ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra 35 ao amin’ny faritra Atsimo-Andrefana, toerana hanombohan’ny tetikasa ara-mineraly an’i Vara Mada. Misy famatsiam-bola mitentina 1,2 tapitrisa dolara avy amin’i Vara Mada, ka kendrena ny hanome tombontsoa maharitra sy azo tsapain-tanana ho an’ny mponina, alohan’ny hanombohan’ny asa fitrandrahana. Sakafo an-tsekoly 2 tapitrisa isan-taona no tanjona, ka hanampy amin’ny fahasalaman’ny ankizy, ny fianarany ary ny fivoaran’ny fiarahamonina. Nanomboka tamin’ny volana Mey 2026, efa natomboka ny fanomanana fotodrafitrasa ao amin’ireo sekoly voafantina, toy ny lakozia vaovao, famatsiana rano fisotro madio ary trano fitahirizana sakafo azo antoka. Ny fizarana sakafo isan’andro dia hanomboka amin’ny taom-pianarana 2026–2027. Ny ray aman-dreny, ny mpampianatra ary ny solontenan’ny fiarahamonina dia handray anjara amin’ny fitantanana sy fanaraha-maso ny lakozia an-tsekoly, ka hanamafy ny fandraisana andraikitra iombonana sy ny faharetan’ny tetikasa. Tombanana fa hahatratra 68 000 olona ny hahazo tombontsoa mivantana sy ankolaka amin’ity fandaharan’asa ity, anisan’izany ny ankizy, ny fianakaviany ary ny mpikambana ao amin’ny fiarahamonina. Nanomboka tamin’ny taona 2021, efa nahavita nanome sakafo mihoatra ny 14,2 tapitrisa ho an’ny ankizy 57 000 ny tetikasa MIANATRA tany amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, ka ity traikefa ity no fototra iorenan’ny fanitarana vaovao ao Atsimo-Andrefana. “Ity programa ity dia porofo fa afaka manatsara ny fiainan’ny fiarahamonina izahay. Na mbola tsy nanomboka aza ny tetikasa ara-mineraly, dia faly aho fa efa afaka manampy ny ankizy hahazo sakafo sahaza ho an’ny fianarany sy ny hoaviny,” hoy i Mike Van Akkooi, Country Manager an’i Vara Mada. Raha tafiditra amin’ny dingana manaraka ny tetikasa, dia mikasa ny hanitatra ny MIANATRA amin’ny sekoly hafa sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny tantsaha eo an-toerana hitondra fivoarana ara-piarahamonina ny Energy Fuels.
Toky R
Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy