airtel

Actualités

11-sept-2023

FANDOROANA VOLA

Mety hampigadra, efa nisy voasambotra

Sample post image

Mety hidirana any am-ponja mihitsy ny fanaovana fihetsika tsy voatandrina eny anivon’ny fiaraha-monina.

11-sept-2023

Anisan’ireny ny fanimbana fananam-bahoaka toy ny fandoroana vola. Ny sandan’izy ireny fotsiny mantsy no an’ilay tompom-bola na ohatrinona na ohatrinona raha araka ny fanazavan’ny zandarimariam-pirenena fa ilay ravim-bola kosa dia fananana iombonana. Voararan’ny lalana araka izany ny fandoroana azy ireny na inona na inona no mety ho ao ambadik’izany. Voatery nosamborina omaly ary natao fanadihadiana ao Andapa noho izany ilay tovovavy nanaparitaka horonan-tsary mandoro vola tato anaty tambajotram-pifandraisana facebook tamin’ny faran’ny herinandro teo. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha. Raha araka ny fantatra moa dia tsy misy tanjona loatra ity fihetsika ity fa fitiavana te-hiavaka amin’ny hafa fotsiny ihany no sady te-haneho ihany koa fa mahavita mandoro vola ilay olona satria manana betsaka na dia sarotra aza ny fiainana.

Raha ny fampahafantarana navoakan’ny zandarimariam-pirenena omaly takariva, dia efa voasambotra ilay tovovavy isan’ny namoaka sary naneho fandorana vola tamin’ny tambajotran-tserasera, izay heverina fa mety ho henjana ny sazy miandry azy. Mila tandremana hatrany ny fihetsika indrindra fa ity resaka « challenge » amin’ny facebook ity satria mety hampidi-doza raha raisina amin’izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovovavy nanao ilay fihetsika !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap