Naneho hevitra sy nitondra setriny manoloana ny fanambarana nataon’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy i Mohamed Razafiberison mpandinika ny raharaham-pirenena. Nambarany fa miezaka miampanga ny Filoham-panjakana amina resaka foko sy fihaviana mba hankahalan’ny olona ny filoha i Colonel Patrick, izay tena mamoafady sy tsy azo ekena ny teti-dratsy entina mivoy fisaraham-bazana, ary efa tonga saina sy naka lesona ny Malagasy izay iray tsy mivaky. « Efa tamin’ny fotoan’andron’i Gallieni no nisian’izany fampizarazarana ny samy Malagasy izany ka tsy azo ekena intsony raha mbola izany no tadiavina hovoizina eto amin’ny Firenena », hoy i Mohamed Razafiberison. Tsy marina, hoy izy, ny fiezahana hanasoketa ny Filoham-panjakana amin’ny resaka fanavakavahana ara-poko satria iny vao noporofoiny tamin’ny fanendrena Praiminisitra vaovao omaly iny fa olona avy eto Antananarivo no nametrahany fitokisana, nosafidiny ho Praiminisitra izay maneho ny fifandanjana ara-paritra na ny « équilibre régionale » na tsy misy lalàna sy fitsipika manery azy hanao izany aza. Mbola manaporofo ny fahadisoan’ny filazana azy ho mpanavakavaka ihany koa ny firahalahiana nisy teo aminy sy ny Kolonely Rampanarivo izay avy eto Antananarivo, teo anilany foana, niaraka nogadraina tsy ara-drariny taminy tany Tsiafahy, mpiara-miasa akaiky be aminy amin’izao eo anivon’ny Fiadidian’ny fanavaozana. Tahaka izany ihany koa ireo mpanolotsaina 4 lahy ireo izay misy ny zanak’i Fianarantsoa, Antananarivo,… ka diso tanteraka ny filazana sy fanasoketana ny Filoham-panjakana amin’ny resaka firazanana sy fihaviana, ary tsy azo ekena ny fampizarazarana ny Malagasy izay maha sarotiny an’i Filoha, izy rahateo no miantoka ny firaisam-pirenena araka ny voalazan’ny andininy faha-45 amin’ny lalàmpanorenana, hoy hatrany i Mohamed Razafiberison. Resahana foana ihany koa ny mpandraharaha iray saingy aminy, raha misy olona tia tanindrazana dia anisany io mpandraharaha io. « Nahazo fanenjehana sy fanagadrana tsy ara-drariny tany Tsiafahy ary fanapotehana teto amin’ny Firenena, fa tsy mba nitsoaka noho ny fitiavan-tanindrazana, niaritra teto ihany, fa tsy ohatran’io ataon’i Kolonely Patrick mitsoatsoaka lava io rehefa misy zavatra ataony, ka manakorontana ny Firenena, izay tsy azontsika ekena. Fa raha tena miaramila marina sy tia tanindrazana Kolonely Patrick dia tokony manao toy ny nataon’i Filoham-panjakana sy ilay mpandraharaha izay henjehiny io tamin’izany fotoana izany izy fa tsy mitsoaka lava », hoy i Mohamed Razafiberison.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»