airtel

Actualités

23-sept-2022

Actualités

Fanehoan-kevitra Raikitra ny fisamborana mpanao facebook

Sample post image

Niely ny vaovao omaly takariva, fa voatazona eny amin’ny Sampana momba ny heloka an’habaka na Cybercriminalité eny amin’ny Toby Ratsimandrava i Stan'ley Ramarivelo,

23-sept-2022

mpaneho hevitra sy famakafakana ao amin’ny tambajotran-tserasera, ary matetika mitsikera sy mitanisa ny lesoka ara-pitantanan’ny Fanjakana. Omaly no tonga tato an-tranony nanao “perquisition” ny zandary 3 lahy, ary nitondra azy. “Nentiny any ny unité centrale (…) Ny fiangaviany dia manainga ny fiarahamientana avy aminareo namany rehetra mba ho tonga “1ère heure” eny amin’ny Fitsarana rahampitso maraina…", io no hafatra voalaza fa nataon’ny reniny. Mahakasika an'ilay kaonty hosoka "Stanley ramaro" nampiasa ny sariny no voalaza fa antony nanaovana famotorana sy nitazomana azy. Raha izay tokoa, dia izy lasibatra indray izany no mizaka ny tsy nataony? Raha ny ambaran’ny pejy mpanohana fitondrana kosa dia izy no lazain’izy ireo fa tompon’ny kaonty antsoina hoe: “Rano Mangotraka” izay manao ompa sy variraraka ao amin’ny tambajotran-tserasera ka isan’ny tena tratran’izany ny olona ambony sy mpitondra Fanjakana. Omaly alina anefa, mbola niasa sy nandeha, ary namoaka vava io Kaonty Rano Mangotraka io. Misy ny lalàna mifehy ny tambajotran-tserasera sy ny heloka atao aminy, ary tena ilaina ny fandraisana fepetra. Ny zavatra tsikaritra anefa, toa misy fitanilana ihany ny fampiharan-dalàna momba an’io. Izay manohintohina ny fitondrana ihany no mety ho voabeda. Tsy miaro izay mety ho manao ny tsy mety, fa azo heritreretina ihany koa ny fisiana zavatra hamboamboarina na “coup monté” hoentina mamely izay mety ho kendrena manokana na “cible”. Manao izay danin’ny kibony kosa ny kaonty fako tsikaritra ho ny mpomba ny fitondrana no ao ambadika, ary tsy fatratra ny fanompana, fanalam-baraka, fanasoketana,… atao an’ireo izay tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana. Efa nisy fotoana, ohatra, tamin’ny aprily 2020 nosandohana ny anaran’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ary nanaovana fanambarana diso amin’ny anaran’ny Antoko TIM, nitory ny Filoha teo aloha fa tsy nisy tohiny. Tahaka izany ihany koa ny tamin’ny febroary 2021 nanozonana io filoha teo aloha io ho faty hoe: “Mandria am-piadanana”, izay nisy fitoriana fa tsy nisy tohiny. Ny fehiny, tsy miaro na iza na iza fa toa izay tiana hopetahana ihany no voapetaka amin’ny heloka an’habaka eto.
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap
21-mai-2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

Card image cap
21-mai-2025

Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,

Card image cap
21-mai-2025

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

Card image cap
20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap