izay nalaina am-bavany sy nohadihadiana nandritra ny ora maro ny alarobia tolakandro hatramin’ny maty masoandro. Tsy ny tenany ihany fa tratry ny fitoriana niaraka taminy ihany koa Atoa Dominique Rakotomalala Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny TI-IM. Izy ireo izay tsiahivina fa notorian’ny GEL (Groupement des Exportateurs des litchis) noho ny fiampangana voalaza fa tsy marin-pototra, fanalam-baraka, fanakorontanana,… Nipoitra io taorian’ny ampamoaka nataon’ny Transparency International ny 10 novambra teo fa misy ahiahina kolikoly goavana ny fanondranana kolikoly goavana avy eto Madagasikara nanomboka ny 2011-2021, ka nametrahan’izy ireo fitoriana teny amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) sy ny PNF (Parquet National Financier) any Frantsa, mba hanokafan’ireo fanadihadiana. Voalaza fa tsy mbola misy tohiny ny fitoriana napetraky ny TI-IM, raha toa ka nihazakazaka kosa ny fanadihadiana ireo olon’ny TI-IM notorian’ny GEL. Mpandraharaha matanjaka sy mpanefoefo eto amin’ny firenena ary tena akaiky ny fitondrana no voalaza fa mitarika ny GEL, ka izay no mety nampandeha haingana ny fanenjehana ny andaniny, raha toa ka tsy misy tokontanina kosa ilay fitoriana momba ny ahiahiana kolikoly goavana, heloka ara-barotra iraisam-pirenena,…
MIDITRA AN-TSEHATRA NY IRAISAM-PIRENENA
Tonga naneho firaisan-kiana teny Anosy ireo Vondron’ny firaisamonim-pirenena ao anatin’ny OSC (Organisation des Sociétés Civiles) omaly. Sesilany ihany koa io omaly io ny fanambarana mitovy nataon’ireo firenen-dehibe sy vondrona iraisam-pirenena, izay na tsy nivantana aza dia mikasika ity raharaha ity no antony. Nisantatra izany ny Masoivohon’I Etazonia, Ny Vondrona Eoropeanina, ny Masoivohon’I Allemangne,.. ary mbola nohamafisina tamin’ny fanambarana niraisan’ireo masoivohona firenena izay nahatratra 6 (Etazonia, Angleterre, Vondrona Eoropeanina, Allemagne, France, Norvège) nanao hoe: “Manohana ny vahoaka Malagasy sy ny governemanta ary ny fiarahamonim-pirenena amin'ny ady amin'ny kolikoly izahay, ary manohitra izay hetsika rehetra manohintohina ireo ezaka rehetra fikatsahana ny fangaraharana sy ny tamberin'andraikitra ary ny fahalalahana maneho hevitra”. Tsy tongatonga ho azy io, ary toa nasiana fomba firesaka ara-diplaomatika ihany toa fanairana ny mpitondra ihany tamin’ny fampidirana ny hoe: ny “governemanta” na koa hoe: “fitondram-panjakana”. Raha voalaza afak’omaly fa omaly no hanolorana fampanoavana ireto olona notoriana ireto, dia niova ny fandehan-javatra omaly ka mbola tsy fantatra indray ny fotoana hanaovana izany. Heverina fa noho ny fidirana an-tsehatry ny Vondrona iraisam-pirenena no antony. Efa hafatra miantefa amin’ny mpitondra sy ireo mialokaloka ao anatiny ireny, ary vao mainka mety hampirefotra sy hampipongatra zavatra maro, raha tsindry sy fanapenam-bava ary fampihorohoroana no mety ho tanjona nokendren’ny andaniny. Andrasana anefa ny mety ho tohiny satria tsy misy afaka hiteny ankoatra ny fitsarana hoe: iza no marina ary iza no meloka? Ho lasa lavitra ve ny fitoriana an-dry Ketakandriana Rafitoson sa hohampanginina?
Toky R
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto