airtel

Actualités

02-févr-2021

Actualités

Fangatahana fampodiana ny volamena Amin’ny 19 febroary no hivoaka ny didy

Sample post image

Ny fangatahan’ny Fanjakana Malagasy amin’ny fampodiana ny volamena 73,5 kg

02-févr-2021

 

 

no tena nandeha tatsy Afrika Atsimo omaly. Nandalo sy naseho nandritra fitsarana ihany koa anefa ireo telolahy sy ny volamena izay sarona ny 31 desambra 2020. Naka mpisolovava Afrikanina Tatsimo ny Fanjakana, ka ny taratasy mahakasika ny didy fampisamborana iraisam-pirenena sy ny taratasy manamarina ny fampiatoan’ny firenena ny fanondranana volamena nanomboka ny 20 oktobra 2020 no isan’ny nentin’ireo mpisolovava ireo teo anivon’ny Fitsarana omaly. Amin’ny 19 febroary izao no hamoahan’ny Fitsarana Afrikanina Tatsimo ny fangatahana nataon’ny Fitondrana Malagasy. Na raharaham-pitsarana manokana aza ny fangatahana fampodiana ireo volamena, dia misy ifandraisany foana amin’ireo telolahy izay enjehin’ny Afrikanina Tatsimo amin’ny fampidirana entana sy trafika tany amin’ny amin’ny fireneny (contrebande) miampy fandikana ny lalàna mifehy ny fadin-tseranana. Andrasana izay ho didim-pitsarana amin’ny 19 febroary io, saingy ahiana ho lasa porofo manamarina ny heloka nisy sy ny fandikan-dalàna niseho tany Afrika Atsimo na “pièce à conviction” ireo volamenantsika. Ahafahana mandrefy ny tanjaka ara-diplaomatikan’ny Fanjakana Rajoelina io. Hatreto, tsy misy tohiny ihany koa ny fangatahana fampodiana ireo telolahy hotsaraina aty Madagasikara, raha toa ka ny 07 janoary lasa teo nilaza ny manam-pahefana Malagasy, fa atao izay hampodiana azy ireo sy ny volamena mialohan’ny 12 janoary 2021 fotoana voalohany saika hanaovana ny fitsarana, saingy nihemotra omaly. Ho an’ny eto Madagasikara, 12 no naiditra am-ponja hatramin’izao, ary 7 no namoahana didy fampisamborana. Ahiana ho maty momoka amin’ny fanagadrana ireo irakiraka madinika ity raharaha ity ho an’ny eto Madagasikara, fa ireo tena tompon’ny entana sy ny tambajotra matanjaka miaraka aminy ho afa-maina.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap