airtel

Actualités

17-avril-2026

Fanimbana fananana iombonana

Mampigadra 1 ka hatramin’ny 5 taona

Sample post image

Mampigadra 1 ka hatramin’ny

17-avril-2026

5 taona araka ny ambaran’ny andininy faha 318 ao amin’ny fehezan-dalana famaizana ny fanimbana fananam-bahoaka eto Madagasikara. Mbola mety arahana lamandy 100 000 ka hatramin’ny 1 000 000 ariary io.
Mila mandinika tsara noho izany amin’ny fihetsika atao fa tsy manao tendri-po tsy mba namana na inona na inona mety ho antony satria tsy azo atao ary tena voararan’ny lalàna ny fanimbana fanana iombonana/fananam-bahoaka. Araka ny fanambarana nataon’ireo tompon’andraikitry ny polisim-pirenena afak’omaly dia efa mandeha ny fanadihadiana momba ny herisetra sy fanimbana ny biraon’ny Commissariat tany Vohémar . Ny dikan’izany dia tsy maintsy hisy olona ampanantsoina atao fanadihadiana, hisy ny ho samborina ary tsy maintsy hihatra ny lalàna.
Na inona na inona mitranga dia tokony atao fady ny manimba fananana iombonana indrindra fa ny biraom-panjakana, satria na ho ela na ho haingana dia ho avy ny fanadihadiana, mety hoe nitory ihany koa ny tompon-javatra simba na very dia miainga arak’izay ny fanadihadiana. Na ny nandray anjara mivantana na ny namporisika dia samy mahazo ny sazy tandrify azy avokoa, na ireo nividy sy nanafina entana halatra azo avy amin’ny savorovoro.
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap