airtel

Actualités

29-mai-2026

FANIRISOA ERNAIVO tany MOSCOU

Fahapoizinana ara-tsakafo

Sample post image

artifisialy ilay teny Ambohimalaza

29-mai-2026

Nandritra ny fifanakalozana teo amin’ny delegasiona Malagasy sy Rosiana tany Moscou Rosia omaly dia noresahin-dRamatoa Minisitry fitsarana Fanirisoa Ernaivo manokana ny filàn'i Madagasikara fiaraha-miasa amin'ireo mpikaroka rosianina amin’ny fametrahana andrimaso sy paikady hiadiana amin'ny fahapoizinana ara-tsakafo artifisialy (botulisme artificiel) izay nahiana ho nahafaty Malagasy tamin'ny faritany maro teto Madagasikara toa izay nitranga teny Ambohimalaza.Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’i Madagasikara ireo tompon’andraikitra rosianina izay niantefan'ny fangatahana.Hifarana rahampitso 29 mey 2026 moa ity dinika iraisam-pirenena izay handraisan'i Madagasikara anjara any Moscou ity ity.
Rehefa natao ny fikarohana ny atao hoe « botulisme artificiel » dia fitambaran’ny poizina voajanahary (toxine botulique) sy singa hafa ara-pitsaboana niniana natao (action médicale intentionnelle) izay mitaky zavatra roa samy hafa mihitsy dia ny tsindrona botox sy fampiasana « respirateur artificiel » mba hitsaboana ilay marary. Io hoe « botulisme artificiel » io izany no heverina fa nahafaty malagasy maro tato ho ato izay ka tafiditra tao anatin’izany ireo tanora namonjy aniversera teny Ambohimalaza ny 14 jona 2026.
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

29-mai-2026

250 tapitrisa dolara no andrasana

Card image cap
29-mai-2026

nampanantenaina tao Ambositra

Card image cap
28-mai-2026

vahoaka ary hajaina ny heviny

Card image cap
28-mai-2026

mpiara-miasa ny depiote sy ny Ben’ny tanàna"

Card image cap
28-mai-2026

dia midika fa forongony..."

Card image cap
28-mai-2026

Ho porofoina fa afaka hampandrosoana firenena

Card image cap