Nahitsy ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo omaly nilaza fa tsy manao fisamborana misy ambadika politika izany mihitsy ny Fitsarana, fa matoa ilay olona voasambotra dia nandika lalàna. Setriny manoloana ny fivoizana io fa ianjadian’ny valifaty politika ireo olon’ny Fanjakana teo aloha dia ny volomboasary izay misy ireo nosamborina sy efa anya m-ponja toa ny Minisitra teo aloha Sahondrarimalala Marie Michelle sy ny depiote teo aloha Rahantanirina Lalao na Ninah. « Raha toa ka manana loko politika tao anatin’ny Fitondrana teo aloha, dia mety fifandrifian-javatra satria tsy mijery lokon’antokony ny fampiharana lalàna na mpitondra teo aloha io, na mpanohitra io, na tamin’ny fitondrana teo aloha, tamin’ny fitondrana tamin’ny Repoblika voalohany na faharoa na fahatelo na faheafatra,… dia tsy maintsy hiharan’ny lalàna », hoy ny Minisitry ny Fitsarana. Nanipika io Minisitra io, fa ny atao hoe : valifaty politika dia nisy olona iray nanao zavatra anao dia valianao aminy ka moa ve nisy zavatra nataon’i Marie Michelle ahy manokana, ka raha tsy misy izany dia tsy manana antony hanaovana valifaty aminy aho, hoy i Fanirisoa Ernaivo. Tahaka izany ihany koa ohatra ny depiote Rahantanirina Lalao na Ninah, izay tsy nisy zavatra nataony ahy manokana, ka tsy misy antony hanaovako valifaty politika aminy, hoy hatrany ny Minisitry ny Fitsarana. Andaniny kosa anefa, raha nandika lalàna ny olona iray, ny nataon’i Marie Michelle dia zavatra 2 no hanenjehana azy : nitarika olona hanakorontana, ary tratra tao anatin’izany fikasana izany ny fandoavana vola, manararaotra ny fahalemen’ny olona izay tsy manana manam-bola nanaramana an’ireo olona ireo hanakorontanana ny fitondrana, hoy ny fanazavany. Mbola resaka dabilio 8 miliara no hita, fa mbola misy 85 miliara Ar no vokatry ny fanadihadiana mikasika io Minisitra teo aloha io, raha ny fanamafisany. Moa ekentsika hoe nisy olona teto amin’ny Firenena na inona na inona loko politikany nanodinkodina volam-panjakana izay tokony hampianarana ny zanaka Malagasy kanefa hoekena ve hoe avela fotsiny amin’izao fa tsy hisy fanadihadiana ? hoy izy. Nisy ihany koa ny tatitry ny Fitsarana momba ny Kaonty izay namoaka fa 3000 miliara Ar mahery ny vola nampiasaina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna izay nisy voahodina ary nisy fanaparam-pahefana. Moa ve havela amin’izao satria lasa valifaty politika ka tsy valifaty politika fa fampihafana ny lalàna. Nahitsy noho izany i Fanirisoa Ernaivo nilaza fa na inona na inona fironana misy azy dia voasazy izy, ary anisan’izany ohatra ny Kolonely Patrick sy ny olona izay niarahany, izay olona tena nanohana fitondrana kanefa nitarika ny olona ihany koa handeha handoro sy hanapaka andrin-jiron’ny Jirama , ary farany teo dia handoro fonja. « Tsy hanavahana antoko na fironana ny fanakorontanana ny Firenena fa rehefa mety hanohintohina ny filaminan’ny Firenena », hoy i Fanirisoa Ernaivo.
Toky R