airtel

Actualités

03-févr-2025

Fanjonoana eny amin’nyMarais Masay

Tovolahy iray tratra niaraka tamin’ny trondro 5 kg

Sample post image

Tena mihanaka ny fahantrana sy ny tsy fananan’asa eto amintsika.

03-févr-2025

Lasa manaotao foana ny ankamaroan’ny olona vokatr’izany mba hidiram-bola na dia hampihinana maloto ny hafa aza. Nandritra ny fisafoana nataon’ ny vondron'ny Polisy Monisipaly sy ny Vondron'ny Mpamonjy Voina dia harato 200 metatra be izao no saron’izy ireo ka noraofina noentina an-dakazery. Voarara ny fanjonoana sy fanaratoana eny Marais Masay sy eny amin'ny Farihin'Anosy ary Behoririka. Tsy azo atao ihany koa ny mivarotra sy mihinana ary mampihinana ny hazandrano azo amin'ireo toerana ireo satria maloto. Ora vitsy taorian'ny nahatratrarana ireo harato dia nisy tokoa tovolahy iray tratra niaraka tamin'ny trondro tanaty gony avy nojonoina tao amin'ny Marais Masay. Milanja 5 kilao ny fitambaran'ireo trondro ireo izay nogiazana avy hatrany ihany koa.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy tratra !
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap