Lasa manaotao foana ny ankamaroan’ny olona vokatr’izany mba hidiram-bola na dia hampihinana maloto ny hafa aza. Nandritra ny fisafoana nataon’ ny vondron'ny Polisy Monisipaly sy ny Vondron'ny Mpamonjy Voina dia harato 200 metatra be izao no saron’izy ireo ka noraofina noentina an-dakazery. Voarara ny fanjonoana sy fanaratoana eny Marais Masay sy eny amin'ny Farihin'Anosy ary Behoririka. Tsy azo atao ihany koa ny mivarotra sy mihinana ary mampihinana ny hazandrano azo amin'ireo toerana ireo satria maloto. Ora vitsy taorian'ny nahatratrarana ireo harato dia nisy tokoa tovolahy iray tratra niaraka tamin'ny trondro tanaty gony avy nojonoina tao amin'ny Marais Masay. Milanja 5 kilao ny fitambaran'ireo trondro ireo izay nogiazana avy hatrany ihany koa.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy tratra !
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Olona am-polony ny namoy ny ainy vokatry ny fahapoizana ara-tsakafo tamin’ny
Niamboho ny alahady 15 jona teo amin'ny faha 83 taonany i Pr Yvette Rabetafika,
Tsy nipetra-potsiny fa omaly ihany dia nidina ifotony teny Ambohimangakely,
Noraisina tetsy anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy
Rehefa volana Jona tahaka izao dia tsy vitsy ireo te-hanatsara ny ao an-tokantranony ao.