airtel

Actualités

04-avril-2022

Actualités

Fanofanana ny tanora sy ny orinasa Nitsangana ny “Arkasia Training”

Sample post image

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy lasa teo teny amin’ny Foibeny etsy amin’ny Immeuble OTIV Ankadindramamy ny “Arkasia Traning”,

04-avril-2022

 “Cabinet consultance et formation” noforonina tanora maromaro nivondrona tarihin-dRtoa Tovohasimbavaka Najaina. Tetikasa mitodika amin’ny tontolon’ny tanora sy ny fampandrosoana satria amin’izy ireo, dia afaka manao zavatra tsara ny tanora. Tanjona ny hanofana tanora hanana ny fahaizamanao ara-kalitao takian'ny fenitry ny asa eo amin'izay sehatry ny fampandrosoana izay. Isan'izany ny "formation de pointe", izay amina sehatra betsaka amin'izay sehatry ny fampandrosoana izay. Misy ihany koa ny « atelier de développement professionnel» sy «développement personnel» ho an'ny tanora. Ny faharoa manaraka an'izay dia misy ny «assistance technique», izany entin'izy ireo manohana olona na tetikasa ana tanora izay te hisehatra amin'izay fampandrosoana izay. Hitondra tohana sy tan-tsoroka amin’ny fananganana tetikasa, fitadiavana famatsiam-bola amin'ny famoronana sy ny fampiofanana ekipa,... Ny fahatelo farany dia misehatra ihany koa izy ireo amin'ny fikarohana ny fampandrosoana, indrindra fa ho an’ny tanora. Misy ny fampandrosoana ara-tsosialy, ara-ekonomika, amin'ny maha olombelona dia ao anatiny avokoa. Fa misy ihany koa ny sehatra samihafa (domaine transversale, ohatra hoe: ny changement de comportement ; communication transversale dia ao anatin'izay misy domaine thématique : santé, nutrition, éducation, ny gouvernance,... Efa manana traikefa mihoatra ny 7 tamin'ireo ny mpampiofana tsirairay ireo, araka ny fanamarihana. Ny fiofanana dia miovaova araka ilay ny lohahevitra sy ny rafitr’ireo orinasa na ONG miara-miasa amin'izy ireo. Afaka manefy tolotra amin'ny filàn'ny mpanjifa, araka ny fanazavan-dRtoa Tovohasimbavaka Najaina, tanora vao erotrerony, saingy efa nioty traikefa maro tany ivelany sy nizara fahaiza-manao teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, raha tsy hilaza afatsy ny fandrindrana tetikasa tany amin’ny Firenena Mikambana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap