indrindra fa mahakasika ny sidina an’hahabakabaka ny Fanjakana. Fanambarana niombonan’ny Minisitra maromaro io: ministeran'ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, ny ministeran'ny raharaham- bahiny, ny ministeran'ny vola sy ny toekarena, ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka ary ny ministeran'ny fizahantany. Seranam-piaramanidina voakasika ny eto Antananarivo, Toamasina ary Nosy Be, izay mandray ireo sidina mpitatitra olona mampitohy amin'ny firenen-kafa hatreto. Manomboka amin’ity volana martsa ity dia miitatra ho an'ny seranam-piaramanidin'i Toamasina ny sidina ataon'ny kaompania Air Austral. Hisy sidina roa isan-kerinandro hampitohy an'i Toamasina sy ny Nosy La Réunion, ary sidina roa isan-kerinandro ihany koa mampitohy an'Antananarivo sy ny Nosy La Réunion. Misokatra amin'ny "vol charter" I Nosy be manomboka ny volana aprily, ka ny kaompania Neos no isany hanatanteraka izany, izay mampitohy an'I Nosy be sy Italie. Sidina isan-kerinandro no anombohana izany ao anatin'ny roa herinandro voalohany. Aorian'izay kosa dia mety hitombo ho roa isan-kerinandro ny sidina tanterahiny. Eo am-pandaminana ny fiaraha-miasa amin'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka samihafa ny fanjakana Malagasy ankehitriny. Toa izao kosa ny fepetra ara-pahasalamana: Taratasy manamarina fa tsy mitondra ny aretina covid-19 mialohan’ny andraisana fiaramanidina, Fanamarinana sy fandoavana ny famandrihana trano fandraisam-bahiny mahazo alalana manokana handray ireo mpandeha mandritra ny roa andro fanaovana fitiliana (test PCR) eo ampahatongavana izay alohan'ny mpandeha, Fihibohana mandram-pivoahan'ny valin'ny fitiliana izay voamarina fa tsy mitondra ny aretina covid-19, Fandraisana an-tanana ny mpandeha eny amin'ny toerana manokana hitsaboana ny covid-19 raha voamarina fa mitondra ny aretina.
Rehefa zohiana, ny sidin’ny Air Austral makatsy La Réunion ihany izany no miasa eto hatreto, fa tsy misy sidina mampifandray antsika amin’i Eoropa. Nampiaka-peo manoloana ny fepetra apetraky ny Fanjakana kosa ireo Vondron’ny mpandraharaha Malagasy. Isan’ny resabe ihany koa ilay hoe : tsy mahazo mitondra valizy misy kodiarana, izay tsy mazava ny fepetra. Misy endrika bizina amin’ny resaka fanibohana any amin’ny Hotely.
Toky
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa