airtel

Actualités

26-oct-2022

Actualités

Fanondranana jirofo Tafakatra avo efatra heny ny vola vahiny nampidiriny

Sample post image

Nahazoam-bola avo efatra heny ny fanondranana jirofo nankany ivelany tato anatin’ny sivy volana. Raha 52,5

26-oct-2022

tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ny taona 2021 dia tafakatra 224,7 tapitrisa dolara izany nandritra ny sivy volana voalohany tamin’ity taona 2022 ity araka ny antontan’isa navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara. Nahatratra 40.000 Taonina ny vokatra jirofo tamin’ity taona ity raha 25.000 Taonina izany tamin’ny herintaona. Araka ny loharanom-baovao dia efa misokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy fangatahana fahazoan-dalana hanondrana jirofo ho an’ny taona 2021-2022 ary tsy manan-kery intsony ny fahazoan-dalana teo aloha manomboka ny 31 oktobra 2022. Marihina fa i Madagasikara no mitana ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny fanondranana jirofo. Faharoa kosa isika amin’ny famokarana aorian’i Indonezia.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap