airtel

Actualités

16-déc-2024

Fanorenana tsy ara-dalàna, tondra-drano,…

Tena manam-bahaolana ve ny IRMAR ?

Sample post image

Raha ny vokatra vonjimaika aloha izany hatreto dia ny kandidà voafidy tamin’ny anaran’ny firehana

16-déc-2024

politikan’ny fitondràna ankehitriny na ny IRMAR, Harilala Ramanantsoa, no lany ho ben’ny tanàna vaovao eto Antananarivo renivohitra. Mpandraharaha izay azo lazaina ho efa ela naniriana izay toerana maha vehivavy voalohan’Iarivo izay ihany moa ny tenany, raha ny dingana nidirany teo amin’ny politika no iverenana satria dia isan’ireo efa nifaninana haka izany toerana izany koa ny tenany ny taona 2015 saingy tsy lany. Voatendry ho filohan’ny delegasionina manokàn’ny tanànan’Antananarivo ihany nefa izy taty aoriana, 2 volana nialohan’ny nametrahany ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana tamin’ity kaominaly 2024 ity. Raha ny fandaharam-potoanan’ny CENI na ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana moa dia ny 24 desambra izao no hamoahan’izy ireo ny vokatra vonjimaika mikasika izay fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna manerana an’i Madagasikara izay. Vokatra izay sarotra inoana ho mbola hisy fiovàna goavana, raha ny mahakasika an’Antananarivo manokana, raha tsy hoe ho foanana noho ny antony mafonja sy tsy azo ihodivirana avy amin’ireo milaza azy ho nahavoahangona porofo tsy azo lavina sy ny fanerena iraisampirenena angaha! Araka izany dia ho hita eo ny adin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao manoloana olana maro misavovona eto Antananarivo izay maha isan’ireo renivohitra maloto indrindra azy eto ambonin’ny tany raha tsy hitanisa afa-tsy ireo efa voalaza matetika toy ny olan’ny fanorenana tsy ara-dalàna, rano tondraka fahavaratra, tohamboivoy, tsena manentsina fifamoivoizana, ny fako be sary efa ho tendrombohitr’Iarivo mihitsy misy fotoana ary ireo maro samihafa tsy voatanisa. Ho hitanareo eo izany loham-behivavy izany moa, hoy ny tenany, ka dia ho hita eo tokoa!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap