airtel

Actualités

05-févr-2026

Fantsona vaky teny Ambohimiandra

Vakim-paritra miisa 20 teo no tapaka rano

Sample post image

Misy fantsona lehibe vaky eny Ambohimiandra

05-févr-2026

ka tsy maintsy amboarina faran'izay haingana, hoy ny fampitam-baovaon'ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA omaly tolakandro. Tsy maintsy natsahatra arak'izany ny famatsian-drano tamin'ireto toerana ireto mba nahafahana nanao ny asa, hoy ny fanazavana. Nanisana, Analamahitsy, Ambodivoanjo, Ivandry, Alarobia, Ankorondrano, Soavimasoandro, Manjakaray, Ambatomainty, Ambatobe, Ankerana, Ankadindramamy, Soamanandrariny, Andrononobe, Ambohitrarahaba, Ilafy, Anjanahary, Ambodivona, Ankadifotsy, Ambohimailala, izany hoe vakim-paritra na kartie miisa 20 teo. Novinavinaina haharitra ora telo moa ny asa ka taorian'izay no niverina tamin'ny laoniny ny famatsian-drano amin'ireo toerana ireo, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-mai-2026

ny Filohan’ny fanavaozana ! »

Card image cap
15-mai-2026

no hivoaka amin’ny fikaonandoha fa tsy olona!»

Card image cap
KMF
15-mai-2026

ny fikaonandoham-pirenena

Card image cap