airtel

Actualités

08-janv-2021

Actualités

Faritra Alaotra Mangoro Maina tanteraka ny tanimbary

Sample post image

Mangataka ny handatsahana orana artifisialy avy amin’ny Ministera

08-janv-2021

 

 

 

tompon’andraikitra ireo tantsaha mpamokatra any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Raha araka ny vaovao azo mantsy dia efa 15 andro tsy nisy ranon’orana nilatsaka tany an-toerana. Vokany, maina tanteraka ny tanimbary, tsy misy ny rano azo tsinjaraina. Distrika maromaro no miaina io hirifiry io. Ahiana mafy araka izany ny mety tsy hisian’ny voka-bary amin’ity taona 2021 ity raha mampanahy ihany koa ny mety ho fihenan’ny voka-bary. Tanimbary mihoatra ny 2000 ha moa no tsy misy rano intsony amin’izao any amin’ity faritra iray ity. Nanambara moa ny teo anivon’ny Ministeran’ny fambolena fa nahitana fiakarany hatrany ny voka-bary teto amintsika hatramin’izay. Nahatratra 3 tapitrisa taonina izany tamin’ny taona 2015 ary niakatra 4 tapitrisa taonina taorian’izay. Mba hahazoana mitazona io vokatra io dia hanome vahaolana ho an’ity faritra ity ny ministera.

Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap