airtel

Actualités

08-janv-2024

Faritra Bongolava

Tafaporitsaka ilay jiolahy nikoizana, tavela ny basy vita gasy

Sample post image

Tratra ny sabotsy 06 janoary lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora maraina

08-janv-2024

tao Antsenakisoa ny kara-panondron’ilay lehilahy nandroba mpivarotra omby teny Avaratsena ny datin’ny 02 septambra lasa teo ka nahaverezana vola mitentina 36 tapitrisa Ar teo noho eo. Tamin'ny fisafoana mandeha an-tongotra tamin’io sabotsy io no nahatsikaritra olona hafahafa teo Antsenakisoa ireo Polisy miasa ao amin'ny Fitaleavam-paritra Bongolava . Vantany vao nahita ireo Polisy avy lavitra ilay olona hafahafa, dia vaky nandositra avy hatrany ary najanony teo ny kitapo nentiny . Noenjehina kanefa tafaporitsaka ihany ilay ranamana io. Nosavaina ilay kitapo ka nahitana karapanondro iray, basy vita gasy iray, moara miisa telo, famaky lehibe iray. Rehefa nosokafana ny fanadihadiana dia fantatra fa ilay olona tompona karapanondro dia ilay olona nandroba mpivarotra omby teny Avaratsena voalaza etsy ambony io namela ny karapanondrony io. Ny vatantenany sisa araka izany no tadiavina fatratra hatramin’ny omaly hilanja ny sazy sahaza ho azy.
Pati
Legende : Ireto ireo fitaovana tavela tao amin’ireo jiolahy
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap